• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov-Mnp
Image
Vaovao

Madagascar National Parks (MNP) : 35 taona ho an'ny zavaboary arovana eto Madagasikara

19/06/2026 15:19 © Moov

« Ny Valanjavaboarintsika, ny maha-izy antsika, ny hoavintsika ». Misokatra amin'ny fomba ofisialy androany 19 jona 2026 ny fankalazana ny faha-35 taonan'ny Madagascar National Parks (MNP).

Miaro ny zavaboary, miaro ny aina : izany no namaritan'ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarivony ny asa masina sahanin'ny Madagascar National Parks (MNP). Antoky ny fahavelomana sy ny fivelomanana tokoa mantsy ny tontolo iainana, ka rariny raha omen-danja manokana ireo misehatra amin'ny asa fiarovana ny biby, ny rano ary ny biby.

35 nanasoavana ny tontolo iainana sy ny mpiara-belona

Miisa 49 ireo valanjavaboary sy faritra arovana no tantanin’ny Madagascar National Parks, izay mivelatra amina toerana mahatratra 33 tapitrisa. Marobe ireo ala mikitroka, karazam-biby ahiana ho lany tamingana ary loharano/ renirano tsy manampaharoa no voaaro fatratra : voatazona 0,6% ny tahan’ny fanimbana ireo harena ireo.
Tsy ny natioora ihany no voakarakara satria sehatra maro no mahazo tombontsoa, na mivantana na an-kolaka. Vokatry ny fisian'ireo faritra arovana, miroborobo ny sosialin'ireo eny amin'ny manodidina sy ny ekonomiam-pirenena : 543 trano fandraisam-bahiny manodidina ireo faritra arovana, izay miteraka asa maherin’ny 7.000. Eo amin'ny sehatry ny fizahantany, 2.600 mpitaridia mpiara-miasa. Marobe ihany koa ireo mpikaroka sy mpanohana manolo-tanana.
Tsara ny manamarika fa tsy ny harena eny anivon'ireo faritra arovana akory no sitrahin'ireo mponina sy ireo mpandraharaha. Ny asa ateraky ny fikarakarana ny toerana sy ny fitsidihana no antoky ny fidiram-bolan'ireo mpisehatra. Tsy vitsy ohatra ireo mpamboly sy mpanao asa tanana ary mpandraharaha eo amin'ny sehatry ny fampiantranoana miankina tanteraka amin'ireo mpitsidika ireny valanjavaboary arovana ireo.

35 taona manaraka feno fanantenana

Anisan'ny andry iankinan'ny ekonomiam-pirenena ny fananana harena voajanahary miavaka. Ankoatra ny famelomana ireo olon-tsotra sy sehatra tsy miankina, misy fiantraikany amin'ny fizahantany izany : an-tapitrisany ireo vahiny misafidy an'i Madagasikara noho ny fananana toerana arovana misy biby, rano ary zava-maniry tsy ananam-piry. Noho izany, manana anjara lehibe amin'ny fampiodinana ny ekonomia sy ny fizahantany ny fiarovana ny tontolo iainana.
Nandritra ny 35 taona lasa, hatramin'ny fony mbola ANGAP no niantsoana ny MNP, miha-sarotra andro aman'alina ny asa tanterahina. Miha-mitombo mantsy ny filàn'ny olombelona sy ny fahasarotana samihafa ateraky ny fahasimban'ny tontolo iainana. Tafiditra ao anatin'ireo asa tena manahirana ny famonoana afo amin'ireny faritra arovana sy ny manodidina ireny, indrindra amin'ny vanim-potoan'ny maintany.
Noho ny asan'ny MNP mifamatotra amin'ny aina, nanome toky ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarivony fa hikarakara manokana ireo mpiasan'izany vondrona izany ny Fitondram-panjakana. Hisy araka izany ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an'ireo nahavita be. Marihana moa fa eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovainjafy ny MNP.

Lire la suite

Articles Similaires