Ady amin’ny faingosela : mahatratra 50 isan-taona ireo tratran’ny “crises drépanocytaires”
Ankalazaina androany 19 jona ny andro maneran-tany ho an’ny ady amin’ny faingosela. Ao anatin’izany no anentanana ny rehetra hanamafy ny fisorohana sy ny fitsaboana ity aretina manaranaka ity. Araka ny nambaran’ny fikambanana LCDM SOLIMAD, dia mahatratra 50 isan-taona ireo olona mifaingosela tratran’ny “crises drépanocytaires”, izay mety hiteraka fahasarotana ara-pahasalamana lehibe.
Aretina mbola mila fampahafantarana bebe kokoa
« Andao hofoanana ny elanelana, hisitrahan’ireo olona mifaingosela ny fitsaboana sahaza azy, hiainany maharitra ». Io no lohahevitra entina manamarika ny Andro Maneran-tany ho an’ny ady amin’ny faingosela amin’ity taona 2026 ity. Izany hafatra izany dia manasongadina ny maha zava-dehibe ny fahazoan’ny marary rehetra fitsaboana sy fanaraha-maso ara-pahasalamana manara-penitra.
Ny faingosela na “drépanocytose” dia aretina manaranaka lovaina avy amin’ny ray sy ny reny. Aretina mahazo ny sela mena ao amin’ny ra izy io, vokatry ny fisian’ny taharomena tsy tomombana antsoina hoe “Hémoglobine S”. Raha tsy voatily sy tsy voaray an-tanana ara-potoana ny aretina dia mety hiteraka fahafatesana aloha loatra. Na izany aza, azo atao tsara ny miaina ara-dalàna raha mahazo fitsaboana sy manaraka ny toromarika omen’ny mpitsabo ny olona voan’ny aretina.
Aretina miteraka fanaintainana mafy
Araka ny fantatra dia ahitana olona mifaingosela daholo manerana ny faritra rehetra eto Madagasikara. Maro ny soritr’aretina mety hiseho amin’ireo marary, toy ny hatsatra, ny mavomavo na ngorongosy, ny harerahana ary ny fivontosan’ny ary (rate). Anisan’ny mety hahafantarana azy koa ny fanaintainana mafy mety hahazo ny faritra maro amin’ny vatana, indrindra ny taolana, ny tongotra sy tanana, ny vanintaolana, ny lamosina, ny kibo, ny havokavoka ary ny atidoha. Ireo “crises drépanocytaires” ireo no isan’ny fahasarotana lehibe indrindra ateraky ny aretina. Nambaran’ny LCDM SOLIMAD fa misy hatramin’ny 50 isan-taona ireo tranga voarakitra amin’izany krizy izany. Noho izany dia manentana ny olona manana ahiahy, na mahita soritr’aretina, mba hitady torohevitra ara-pitsaboana haingana ny tompon’andraikitra.
Mila ezaka ny fandraisana an-tanana ireo marary
Ho an’ny fikambanana tsy miankina LCDM SOLIMAD, izay miompana amin’ny ady ho an’ny olona mifaingosela, dia mbola maro ireo ezaka tokony hatao mba hanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo marary. Anisan’ny laharam-pahamehana ny fanamafisana ny fanafarana sy famokarana fanafody ary ny fitaovana ilaina amin’ny fitsaboana, mba hampihenana ny vesatry ny fandaniana zakain’ny marary sy ny fianakaviany. Takian’izy ireo ihany koa ny fanitarana ny fitiliana manerana ny Nosy, ny fanatsarana ny kalitaon’ny tobim-pahasalamana mandray marary ary ny fanamafisana ny tahiry nomerika momba ny aretina. Heverina fa hanampy amin’ny fampiharana paikady mahomby kokoa amin’ny ady amin’ny faingosela izany.
Ho fanamarihana ity andro maneran-tany ity dia misy ny hetsika fanentanana sy fitiliana natao tamin’ny faritra maro eto Madagasikara, araka ny nambaran’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Hisy ihany koa ny fifampidinihana iarahan’ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny fahasalamana, miaraka amin’ny fanohanan’ny “Novo Nordisk Haemophilia” sy ny “Haemoglobinopathie Foundation”, mba hanamafisana ny paikady nasionaly hiadiana amin’ny faingosela sy hanatsarana ny fiainan’ireo olona voan’ity aretina ity.




