PFSCE : Ady mafy kokoa ny fiarovana ny zaza sy ankizy varira
Anisan'ny lohahevitra nodinihina nandritra ny adihevitra an-databatra boribory nokarakarain'ny "Plateforme de la Société Civile pour l'Enfance" (PFSCE) ny fiarovana ny zaza sy ankizy varira.
Mampivarahontsana ny trangana fakana an-keriny olona manana toe-tena varira, indrindra ireo zaza. Miisa 6 be izao ireo aina nafoy tamin'ity taona 2026 ity, raha ny tatitry ny fikambabanana Albinos Madagascar. Amin'izao fotoana izao, olondehibe roa, samy varira, no mbola tsy hita popoka. Etsy ankilany, nahazo fandrahonana avy amin'ireo olondratsy sady efa saika nisy naka an-keriny ny filohan'ny fikambabanana Albinos Madagascar.
Finoana diso toerana
Tsy azo lavina fa mbola maro ny Malagasy no manatanteraka fombafomba isan-karazany hampilamina ny fiainana andavan'andro, hitsaboana aretina, hanatsarana vintana na hahazoana harena. Ao anatin'izany nefa dia misy hevi-diso tanteraka, indrindra entina andatsahan'ain'olombelona. Misy ireo mihevitra fa manana "hery manokana" olona varira, ary "diamondra" mihitsy ny masony. Noho izany dia atao "sorona" izy ireo mba hahazoana harena be, toy ny volamena sy ny vatosoa. Ireo olona maherin'ny efapolo efa voasambotra sy voatana am-ponja vonjimaika moa no nilaza izay nanosika azy ireo nanao ny asa ratsy. Amin'ny ankapobeny, misy olon-tsotra maniraka azy ireo, mba hisamborana sy hamonoana zaza na olondehibe varira.
Fampiharana ny lalàna sy fanitsiana hevi-diso
Mandray fepetra mifandraika amin'izany tranga izany ny fitondram-panjakana.Ireo rehetra voarohirohy dia tazomina eny amin'ny Fonjaben'i Tsiafahy avokoa. Misy ihany koa ny fiarovana manokana ireo varira : ho an'Androy ohatra, mipetraka vonjimaika any amin'ny tobin'ny zandarimaria ireo ankizy varira.
Tsy vitan'ny fiambenana sy fampiharana lalàna ny ady atao amin'ny herisetra mihatra amin'ireo varira. Misy ny fanentanana manokana hialàna amin'ny finoanoam-poana.Efa niroso tamin'ny fifampiresahana tamin'ireo ray aman-dreny ara-drazana sy ireo olobe ny "Coalition pour la Justice sociale", mba hamerenana ny hasin'ny kolontsaina malagasy. Na misy aza mantsy ireo fombafomba isan-karazany sy karazam-pitsaboana nentim-paharazana, tokony hanaovan-tsoa hatrany izany fa tsy hamonoana ny mpiara-belona. Tsy adino ny fampahatsiahivana ny rehetra mba hiasa mafy raha te hivoatra amin'ny fiainana : tsy vahaolana ny fitadiavan-karena amin'ny filalaovana ny herin'ny maizina satria manimba ny maha-olona sy ny ara-panahy.




