Fahasalamana : Nampiakarina avo roa heny ny isan’ireo farmasia miandry raharaha eto Antananarivo
Nampitombo avo roa heny ny isan’ireo farmasia mpiandry raharaha ato amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ny Holafitry ny Farmasiana eto Madagasikara. Nanomboka ny 24 Janoary 2026 no nampiharana izany, mba hanamorana ny fahazoan’ny mponina fanafody amin’ny alina sy amin’ny andro tsy fiasana.
Fandaminana ny fizarana ny farmasia miandry raharaha
Araka ny fanazavana ofisialin’ny Holafitry ny Farmasiana, dia efa misy ankehitriny farmasia manao « service de garde » isaky ny boriborintany eto Antananarivo Renivohitra. Tanjona amin’izany ny hanatsarana ny fandraisana an-tanana ny filan’ny mponina amin’ny fotoana tsy fiasan’ny farmasia mahazatra sy hampihenana ny fahasarotana amin’ny fitadiavana fanafody maika.
Nohamafisin’ny Holafitra fa izy irery no manana fahefana handrindra ny fandaharam-piandrasan-draharaha sy ny ora fisokafan’ireo farmasia, araka ny lalàna manankery. Natao izany mba hiantohana ny fitovian-jo eo amin’ireo farmasiana sy ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka.
Nampahatsiahivina ihany koa ny ora fisokafana ofisialy tsy maintsy hajain’ireo farmasia eto amin’ny CUA. Manomboka amin’ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma dia misokatra amin’ny 7 ora sy sasany maraina ka hatramin’ny 12 ora sy sasany atoandro, ary amin’ny 2 ora tolakandro ka hatramin’ny 7 ora hariva. Ny sabotsy kosa dia misokatra amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 12 ora sy sasany atoandro. Ho an’ireo farmasia ao anatin’ny tsena lehibe dia manaraka ny ora fiasan’ilay toeram-pivarotana izy ireo.
Tsy misy sara fanampiny intsony amin’ny service de garde
Nambaran’ny Holafitry ny Farmasiana ihany koa fa nofoanana tanteraka ny « frais supplémentaire de service de garde ». Midika izany fa voarara ny maka sara fanampiny na mampiakatra ny vidin’ny fanafody rehefa manao fiandrasan-draharaha ny farmasia.
Nampitandrina moa ny Holafitry ny Farmasiana fa hisy ny sazy ho an’ireo farmasiana na farmasia tsy manaraka ireo fepetra napetraka. Amin’ny alalan’ity fanavaozana ity dia kendrena ny hanamora kokoa ny fahazoan’ny mponina fanafody amin’ny fotoana rehetra, sady hiantohana ny fitovian’ny tolotra sy ny fiarovana ny tombontsoan’ny marary.




