Inona no mahatonga ny molotra maina foana na dia efa misotro rano tsara aza ?
Amporisihana hatrany isika hisotro rano ampy isan’andro mba hiarovana ny fahasalaman’ny hoditra. Na dia efa manaraka io torohevitra io aza nefa dia mbola misy ireo olona mijaly noho ny molotra maina sy vakivaky. Inona àry no mety mahatonga izany ? Maro ireo antony manazava izany, ary tsy voatery midika tsy fahampiana rano amin’ny vatana no olana.
Marefo kokoa ny molotra raha oharina amin’ny hoditra hafa
Tsy toy ny hoditra amin’ny faritra hafa amin’ny vatana ny molotra satria tsy manana fihary mamokatra menaka voajanahary (sébum) izay miaro ny hoditra tsy ho maina izy io. Ny sosona miaro azy ihany koa dia manify kokoa ka mora iharan’ny toetr’andro sy ireo antony manimba avy any ivelany. Noho izany, na dia misotro rano ampy aza ny olona iray dia mbola mety ho maina ihany ny molony raha simba io fiarovana voajanahary io.
Ny toetr’andro sy ny fahamainan’ny rivotra
Ny hatsiaka, ny rivotra mahery, ny tara-masoandro ary ny rivotra maina ateraky ny « climatiseur » na ny « chauffage » dia samy mampihena ny hamandoana eo amin’ny molotra. Izany no antony mahatonga ny molotra ho maina sy vakivavy matetika mandritra ny ririnina na any amin’ny toerana tena maina ny rivotra.
Ny filelafana molotra matetika
Rehefa maina ny molotra dia maro no manana fahazarana milelaka azy mba hampahamando azy. Vetivety ihany nefa ny vokatra azo amin’izany. Rehefa maina ny rora dia afaka miaraka aminy ny hamandoana eo amin’ny molotra, ka vao mainka mampitombo ny fahamainany. Ankoatra izany, misy akora ao amin’ny rora izay natao hanampy amin’ny fandevonan-kanina ka mety hampisy « irritation » ny hoditra marefo amin’ny molotra.
Ny fampiasana vokatra sasany mampisy « irritation » ny molotra
Mety tsy zakan’ny molotra ka hahatonga fahamainany ny akora sasany hita ao anatin’ny:
-lokomena;
-« baume » ho an’ny molotra misy hanitra;
-« dentifrice » sasany misy akora na hanitra mahery;
-vokatra fikarakarana hoditra misy hanitra.
Ho an’ny olona « sensibles » dia mety hiteraka « inflammations chroniques » ka mampaharitra ny fahaminan’ny molotra ireo akora ireo.
Miaina amin’ny vava
Ny fiainana amin’ny vava rehefa matory na rehefa jenjina ny orona dia mahatonga ny rivotra mandalo tsy an-kijanona amin’ny molotra ka mitarika ny fahamainan’ireto farany haingana kokoa. Izany no mahatonga ny olona voan’ny sery matetika na misy « allergie » hahatsikaritra fa mora maina ny molony.
Mety ho vokatry ny tsy fahampian-tsakafo sasany
Raha maina foana ny molotra na vakivaky eny amin’ny zorony, dia mety ho famantarana tsy fahampian’ny otrikaina sasany izany, toy ny:
-vitamina B;
-« vy »;
-« zinc ».
Matetika ny fihinanana sakafo voalanjalanja dia ampy hamenoana ireo otrikaina ireo. Raha misy soritr’aretina hafa kosa nefa miaraka aminy dia tsara ny manatona mpitsabo.
Fanafody sasany mety hampamaina ny molotra
Ny fanafody sasany dia mety hampamaina ny hoditra sy ny molotra, anisan’izany ny:
-fanafody sasany fitsaboana mony;
-« antihistaminique » sasany;
-fanafody sasany fitsaboana tosidrà;
-« antidépresseur » sasany.
Raha mipoitra taorian’ny nihinanana fanafody iray ny fahamainan’ny molotra sy ny hoditra dia tsara ny miresaka amin’ny dokotera na farmasiana.
Mety misy aretina ambadika
Indraindray dia mety ho famantarana aretina iray ny molotra tena maina, toy ny:
-diabeta;
-aretin’ny « thyroïde » sasany;
-« syndrome de la bouche sèche »;
-areti-mitaiza sasany mifandray amin’ny hery fiarovan’ny vatana.
Raha tsy mety sitrana ny molotra na dia efa mikarakara azy tsara aza dia ilaina ny manatona mpitsabo mba hahitana ny tena antony.
Ahoana no atao hiarovana ny molotra?
Ho fanampin’ny fisotroana rano ampy isan’andro dia ireto misy fahazarana tsotra afaka manampy hiarovana ny molotra tsy ho maina sy vakivavy :
-manosotra « baume nourrissant » ny molotra, indrindra alohan’ny hivoahana;
-misafidy « baume » misy fiarovana amin’ny tara-masoandro rehefa eny ivelany;
-fadiana ny milela-molotra matetika ;
-mampiasa « humidificateur » raha tena maina ny rivotra ao an-trano;
-misafidy vokatra tsy misy hanitra raha mora « irritées » ny molotra;
-mihinana sakafo voalanjalanja sy manankarena vitamina ary mineraly.
Rahoviana no tokony hanatona dokotera?
Tsara ny manatona mpitsabo raha:
-maharitra herinandro maromaro ny fahamainana na dia efa mampiasa « baume » aza;
-lalina ny triatra amin’ny molotra;
-mandeha rà matetika ny molotra;
-misy fanaintainana mafy, fivontosana na tasy hafahafa miseho;
-miaraka amin’ny soritr’aretina hafa toy ny havizanana be, fihenan-danja tsy fantatra antony na hetaheta tafahoatra.




