• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Newington Pharmacy
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo antony mahazatra mahatonga fahatsapana hoe tsentsina ny sofina

09/07/2026 13:49 © Moov.Mg

Manana anjara toerana lehibe amin'ny fandrenesana sy ny fitazonana ny fifandanjan'ny vatana ny sofina. Indraindray nefa isika mety hahatsapa hoe tsentsina ny sofina, toy ny misy zavatra manakana ny feo tsy hiditra tsara. Mety handalo vetivety izany ary tsy mampanahy, nefa koa mety ho famantarana olana ara-pahasalamana izay mila jerena. Ireto avy àry ireo antony matetika mahatonga fahatsapana tsentsina ny sofina sy ireo toe-javatra tokony andrisika hanatonana mpitsabo.

Inona no atao hoe fahatsapana tsentsina sofina?

Ny fahatsapana hoe tsentsina ny sofina dia miseho amin'ny endrika tsindry ao anaty sofina, fihenan'ny fandrenesana na fahatsapana hoe misy zavatra mibahana ao anaty sofina. Misy ihany koa no mahatsapa « bourdonnements » toy ny hoe feo maneno na mikotrokotroka ao anaty sofina, indrindra rehefa mitelina na mievina. Mety sofina iray ihany no voakasik’izany, mety izy roa koa, ary mety haharitra minitra vitsy na andro maromaro izany arakaraka ny antony. Ireto manaraka ireto ny antony mety mahatonga izany.

Fivangongoan'ny tain-tsofina ao anaty sofina

Io no iray amin’ireo antony mahazatra indrindra mahatonga ny fahatsapana tsentsina ny sofina. Ny tain-tsofina no manakana ny vovoka sy mikraoba tsy ho tafiditra anatin’ny lalan-tsofina. Rehefa be loatra nefa izy io ka mivangongo dia mety hanakana ny lalan-tsofina ka hiteraka fihenan'ny fandrenesana sy fahatsapana hoe tsentsina ny sofina. Matetika dia vao mainka miharatsy io toe-javatra io noho ny fampiasana « coton-tige », satria ity farany dia manosika ny tain-tsofina hiditra lalindalina kokoa fa tsy manala azy.

Fiovan'ny tsindrin-drivotra

Matetika ny olona dia mahatsapa ho tsentsina ny sofina rehefa :
-mandeha fiaramanidina, indrindra rehefa miainga sy midina;
-manao « plongée »;
-miakatra toerana avo.
Ny fiovan'ny tsindry eo amin'ny rivotra dia manelingelina vetivety ny fifandanjan'ny tsindry ao amin'ny sofina. Matetika dia manampy ny mitelina, mievina na mitsakotsako siligaoma mba hampiverina amin’ny laoniny ny fahatsapan’ny sofina.

Sery, gripa na « sinusite »

Rehefa voan'ny sery, gripa na « allergie » dia mety hivonto ny lalan-drivotra sy ny fantsona antsoina hoe « trompe d'Eustache », izay mampifandray ny sofina afovoany amin'ny orona. Rehefa voasakana io fantsona io dia mety hahatonga fahatsapana hoe tsentsina ny sofina, miaraka amin'ny fihenan'ny fandrenesana na fahenoana feo mikotrokotroka ao anaty sofina.

Aretin-tsofina « Otite »

Ny aretin-tsofina, na eo amin'ny lalan-tsofina ivelany na ao amin'ny sofina afovoany, dia mety hiteraka:
-fanaintainana;
-fahatsapana hoe feno na tsentsina ny sofina;
-fihenan'ny fandrenesana;
-ary indraindray tazo.
Matetika ny ankizy no tratran'izany, saingy mety hitranga amin'ny olon-dehibe ihany koa.

Rano tavela ao anaty sofina

Rehefa avy mandro na milomano dia mety hisy rano tavela ao amin’ny lalan-tsofina. Izany dia mety mahatonga fahatsapana hoe tsentsina ny sofina, izay mety misinda ho azy rehefa mivoaka ilay rano.

Inona no azo atao rehefa mahatsapa hoe tsentsina ny sofina?

Miankina amin'ny antony ny vahaolana manoloana ny fahatsapana tsentsina ny sofina. Misy ihany nefa ireo torohevitra mety hanampy :
-tsy mampiditra « coton-tige » ao anatin'ny lalan-tsofina;
-mitelina matetika na mitsako siligaoma rehefa miova ny tsindrin-drivotra;
-mitsabo tsara ny sery na ny « allergie » araka ny torohevitry ny mpitsabo;
-avela hivoaka ho azy ny rano tavela ao anaty sofina rehefa avy nilomano na nandro.
Fadiana ny mampiditra zavatra maranitra ao anaty sofina mba hanesorana tain-tsofina.

Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo?

Tsara ny manatona mpitsabo raha:
-maharitra andro maromaro ny fahatsapana hoe tsentsina ny sofina;
-misy fanaintainana mafy;
-mihena tampoka ny fandrenesana;
-misy tsiranoka na rà mivoaka amin'ny sofina;
-miaraka amin'ny fanina mafy, tazo na feo maneno maharitra ny soritr'aretina.
Raha very tampoka ny fandrenesana dia mila fitsaboana haingana mba hampitomboana ny vintana hahasitranana.

Lire la suite

Articles Similaires