• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Reny&Zaza

Ireo fiovana mety hitranga eo amin’ny vatana aorian’ny « césarienne »

07/08/2026 15:59 © Moov.Mg

Ny « césarienne » dia fandidiana atao mba hamoahana ny zaza ao an-kibo. Atao izy io rehefa tsy azo atao na mety hampidi-doza ho an’ny reny na ny zaza ny fiterahana ara-boajanahary. Na dia fomba fomba fiterahana mahazatra aza izy io dia mbola fandidiana lehibe ihany ka mila fotoana vao sitrana tanteraka ny vatana. Mazava ho azy fa misy fiovana mitranga eo amin’ny vatana aorian’ny « césarienne » ka ny fahafantarana azy ireny dia manampy hiaina am-pitoniana ny fotoana fahasitranana sy hahaizana ireo famantarana tokony handrisika hanatona mpitsabo.

Fanaintainana eo amin’ny faritry ny fery

Ara-dalàna raha toa ka marary eo amin’ny faritra nodidiana mandritra ny andro vitsivitsy aorian’ny « césarienne ». Mety hihamafy izany rehefa mikohaka, mievina, mihomehy na mitsangana avy eo am-pandriana.
Mihena tsikelikely izany fanaintainana izany rehefa mandeha ny herinandro, saingy mety mbola ho marefo ihany nefa io faritra io mandritra ny volana maromaro. Misy ihany koa ny reny mahatsapa mifandrirotra, manindronindrona na volivoly kely eo amin’ny hoditra ny fahasitranan’ny « nerfs ».

Mbola misy rà mivoaka amin’ny fivaviana

Na dia niteraka natao « césarienne » aza dia mbola mila mamoaka ny rà sy ireo « tissus » tavela tao an-kibo nandritra ny fitondrana vohoka ny tranonjaza. Ireo zavatra mivoaka ireo no atao hoe « lochies ». Amin’ny voalohany dia betsaka ny rà mivoaka, mitovitovy amin’ny fadimbolana mandeha be, ary mihena tsikelikely izany rehefa mandeha ny fotoana.
Matetika moa dia maharitra efatra ka hatramin’ny enina herinandro io fivoahan’ny « lochies » io. Raha lasa be loatra ny rà, misy fofona ratsy na miaraka amin’ny tazo, dia tokony hanatona mpitsabo haingana.

Mbola mibontsina ny kibo

Maro amin’ireo reny tera-bao no gaga satria tsy miverina avy hatrany amin’ny endriny taloha ny kibony rehefa avy niteraka. Aorian’ny « césarienne » matetika dia mbola mibontsina sy malemy ny kibo mandritra ny herinandro maromaro.
Ara-dalàna izany satria mila enina ka hatramin’ny valo herinandro eo ho eo ny tranonjaza vao miverina amin’ny habeny mahazatra. Ny hozatry ny kibo kosa dia mety mila volana maromaro vao tena matanjaka indray.

Fahatsapana fahalemana eo amin’ny hozatry ny kibo

Niharan’ny fiovana nandritra ny fitondrana vohoka ny hozatry ny kibo ary nosokafana nandritra ny fandidiana. Noho izany dia mety hahatsapa fahalemena eo amin’ny faritra afovoan’ny vatana ny vehivavy natao « césarienne ».
Amin’ny voalohany dia mety ho sarotra ny manao fihetsika tsotra, toy ny mitsangana avy eo am-pandriana na mitrotro ny zaza. Rehefa nahazo alalana avy amin’ny mpitsabo dia afaka manampy betsaka ny fanaovana fanazaran-tena fanarenana (rééducation) mba hampiverina tsikelikely ny herin’ny hozatra.

Fiovana amin’ny hormonina

Mihena tampoka ny tahan’ny hormonina ao amin’ny vatana aorian’ny fiterahana, na fiterahana ara-boajanahary na « césarienne ». Izany dia mety hiteraka :
-fiovaovan’ny toe-po;
-fahatsapana mora tohina ara-pihetseham-po;
-fitomaniana tsy misy antony mazava;
-hatsembohana be, indrindra amin’ny alina;
-Fihintsanan’ny volo volana vitsivitsy aorian’ny fiterahana.
Matetika dia mandalo ihany ireo fiovana ireo. Na izany aza, raha maharitra herinandro maromaro ny alahelo na ny tebiteby ka manelingelina ny fiainana andavanandro, dia tsara ny manatona mpitsabo satria mety ho famantarana ny fahaketrahana aorian’ny fiterahana izany.

Rivotra sy fitohanana

Aorian’ny fandidiana eo amin’ny kibo dia mety hiadana vetivety ny fiasan’ny tsinay. Vokatr’izany dia mety hibontsina ny kibon’ reny tera-bao, hisy rivotra izy na hitohana.
Ny fisotroana rano ampy, ny fandehanana an-tongotra ary ny fihinanana sakafo be fibra dia afaka manampy hanatsara izany.

Miova tsikelikely ny holatra

Amin’ny voalohany dia mena na mavokely ny lokon’ny holatra. Rehefa mandeha ny volana dia mihamalefaka sy tsy dia hita loatra izy io. Misy anefa ny reny sasany mety ho matevina na mivonto io holatra io, ka izay no atao hoe « cicatrice hypertrophique » na « chéloïde ».

Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo haingana?

Aorian’ny « césarienne » dia tokony hanatona mpitsabo avy hatrany raha misy:
-tazo mihoatra ny 38°C;
-fanaintainana mafy izay miharatsy;
-holatra mena, mivonto na misy nana mivoaka;
-mivoaka rà be loatra;
-fanaintainana na fivontosana amin’ny tongotra iray;
-sempotra tampoka na manaintaina ny tratra.
Mety ho famantarana fahasarotana mila fitsaboana haingana ireo soritr’aretina ireo.

Lire la suite

Articles Similaires