• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Reny&Zaza

Maninona no mety hiova ny endriky ny orona mandritra ny fitondrana vohoka ?

14/08/2026 15:58 © Moov.Mg

Maro ny fiovana mitranga eo amin’ny vatan’ny vehivavy mandritra ny fitondrana vohoka. Ny fitomboan’ny kibo sy ny nono moa no tena hifa, fa misy ihany koa nefa ireo fiovana hafa mety hahagaga, toy ny fiovan’ny endriky ny orona. Mety toa mivonto kokoa, lehibe kokoa na somary miova endrika izy io rehefa mandeha ny volana. Amin’ny ankapobeny dia zavatra ara-dalàna izany ary ‘ndeha ho fantarina eto ireo antony mety mahatonga azy.

Mety hisy fiantraikany amin’ny endriky ny orona fiovan’ny hormonina

Mandritra ny fitondrana vohoka dia mitombo be ny tahan’ny hormonina, indrindra ny « œstrogène » sy ny « progestérone ». Misy fiantraikany amin’ny faritra maro amin’ny vatana izy hormonina ka anisan’izany ny fonon’ny lalan-drivotra ao amin’ny orona sy ireo lalandrà madinika.
Mety hampivelatra ny lalandrà sy hampivonto kely ny fonon’ny orona izany ao amin’ny orona. Vokatr’izany dia mety ho hita ho somary lehibe kokoa na mivelatra ny orona. Amin’ny vehivavy sasany dia mety ho zara raha hita izany fiovana izany. Amin’ny hafa kosa dia mety ho hita kokoa izy io ka hahatonga azy hieritreritra fa tena niova be ny endriky ny orony.

Inona no mahatonga ny orona mivonto kokoa ?

Mandritra ny fitondrana vohoka dia mitombo ihany koa ny habetsahan’ny rà ao amin’ny vatana mba hahafahana mamaly ny filàn’ny reny sy ny zaza ary ny ahitra. Io fitomboan’ny fikorianan’ny rà io dia mety hampitombo ny fahatsentsenana sy ny fiangonan-drano kely amin’ny faritra sasany amin’ny vatana.
Mety ho voakasik’izany ihany koa ny orona, indrindra ny sisiny sy ny tendrony. Indraindray dia vao mainka hita izany rehefa manakaiky ny fotoana hiterahana. Matetika moa dia tsy maharitra io fiovana io. Rehefa avy miteraka, rehefa miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny hormonina sy ny fikorianan’ny rà, dia miverina amin’ny endriny teo aloha ihany koa ny orona.

Mety hiaraka amin’ny fahatsapana jenjina ihany koa izany

Ny vehivavy bevohoka sasany dia mahatsikaritra fa jenjina matetika ny orona, mievina bebe kokoa na misimisy lelo nefa tsy voan’ny sery na misy « allergie ». Izany no antoina hoe « rhinite de grossesse » izay fahatsentsenana sy « irritation » ny « muqueuses nasales » vokatry ny fiovan’ny hormonina.
Mety mahatonga ny fonon’ny orona hivonto ihany koa moa izy io. Noho izany, rehefa jenjina ny orona ary mivonto kely ny ao anatiny, dia mety hahatonga azy ho toa lehibe na somary hafa endrika kokoa.

Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo?

Matetika tsy tokony misy mampanahy raha somary mivonto fotsiny ny orona mandritra ny fitondrana vohoka. Saingy raha mivonto tampoka sy be ny tarehy, ny molotra na ny manodidina ny maso, indrindra raha miaraka amin’ny aretin’andoha mafy, fahitana manjavozavo na miova, fanaintainana ao amin’ny kibo, na fiakaran’ny tosidra, dia tokony hanatona mpitsabo haingana.
Mety ho famantarana olana iray mandritra ny fitondrana vohoka ireo soritr’aretina ireo ka tsy tokony hoheverina ho fiovana ara-dalàna fotsiny.

Lire la suite

Articles Similaires