• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Reny&Zaza

Reny sy zaza : Ireo vokatra ho an’ny zazakely izay tsy voatery ilaina foana

18/08/2026 16:31 © Moov.Mg

Rehefa tonga ny zazakely, dia maro be ireo vokatra atolotry ny fivarotana ho toy ny zavatra « tena ilaina » : kojakoja, fitaovana fikarakarana, vokatra fanadiovana ary fitaovana isan-karazany hanamorana ny fiainan’ny ray aman-dreny. Tsy voatery ilaina avokoa nefa izy ireny. Ny fahalalana ireo vokatra tena ilaina ho an’ny zazakely dia manampy amin’ny fisorohana ny fandaniana tsy ilaina sy ny fividianana kojakoja mameno trano fotsiny.

Ny « lingettes » ho an’ny zazakely : mora ampiasaina, saingy tsy voatery ilaina

Tena manamora ny fanoloana ny tatin-jaza na « couche » ny « lingettes » rehefa mandeha ivelan’ny trano miaraka amin’ny zaza. Rehefa ao an-trano kosa dia tsy voatery ilaina foana izy ireny. Matetika ny rano sy lamba malefaka dia ampy hanadiovana ny vodin’ny zazakely.
Misy amin’ireo « lingettes » ihany koa no ahitana « parfum » na akora sasany mety hampisy « irritation » ny hoditry ny zazakely, indrindra raha manana hoditra « sensible » izy. Noho izany, amin’ny fotoana tena ilana azy irery ihany, ohatra rehefa mivoaka ny trano, no tsara ampiasana azy ireny.

Ny « chauffe-biberon »

Mety eritreretina fa tena ilaina ny « chauffe-biberon », saingy tsy voatery hividy azy ny ray aman-dreny. Azo hafanaina amin’ny « bain-marie » na amin’ny alalan’ny fametrahana ilay « biberon » ao anaty rano mafanafana ny solon-drononon’ny zaza. Jerena tsara fotsiny ny hafanan’ny ronono alohan’ny hanomezana azy ny zazakely.
Mila fitandremana kosa ny fanafanana ny « biberon » anaty « micro-ondes », satria mety tsy hitovy ny hafanana ao anatiny ka hisy faritra tena mafana izay mety handoro ny vavan’ny zazakely.

Ny « stérilisateur biberon »

Isan’ireo vokatra fikarakarana mety hampitony ny sain’ny ray aman-dreny ny « stérilisateur », saingy tsy voatery ilaina amin’ny toe-javatra rehetra izy ireny. Ny fanasana tsara amin’ny rano sy savony ny « biberon » sy ireo kojakoja ampiasaina dia tokony ho ampy.
Ho an’ny zazakely marefo na manana filàna manoka kosa nefa dia tsara kokoa ny manaraka ny torohevitra homen’ny mpitsabo mikarakara azy. Mety ho entitra kokoa ny fomba fanadiovana ireo kojakoja ilaina amin’ny sakafon’ilay zaza ka ilaina manokana ny fampiasna « stérilisateur ».

Ny vokatra « cosmétiques » be dia be

Amin’ny ankapobeny dia tsy mila « lotion », « parfum », « gel » sy « crème » maro karazana ny zazakely. Vokatra fanadiovana sy fikolokoloana ny hoditra vitsivitsy, tsotra ary mifanaraka amin’ny hodiny dia tokony ho ampy amin’ny fikarakarana andavanandro.
Ny fampiasana vokatra be loatra, indrindra ireo misy « parfum », dia mety hampisy « irritation » ny hoditry ny zazakely sasany. Tsara kokoa noho izany ny misafidy fomba fikoloana ny hoditra sy fahadiovana tsotra sy mifantina ireo vokatra tena ilaina.

Ny « transat » lafo vidy sy ireo fitaovana elektronika

Ny « transat », « balancelle » sy ireo fitaovana hafa mitovitovy amin’izy ireny dia mety hanamora ny fiainan’ny ray aman-dreny sasany, saingy tsy anisan’ny zavatra fototra ilain’ny zazakely. Ny fametrahana ny zaza amin’ny toerana azo antoka eo amin’ny tany, eo ambany fanaraha-mason’ny olon-dehibe dia efa manome fahafahana ny zazakely hihetsika sy hikaroka ny manodidina azy.
Tsy voatery ilaina ihany koa ireo fitaovana elektronika natao hampiala voly na hanaitaitra mandrakariva ny zazakely. Ny feon’ny ray aman-dreny, ny fifandraisana aminy ary ny lalao tsotra dia efa tena manan-danja amin’ny fivoaran’ny zaza.

Lire la suite

Articles Similaires