Miaina amin’ny vava : inona no mety ho vokadratsy aterak’izany ?
Misy fiantraikany lehibe amin’ny fahasalamana ny fomba fifohana rivotra na « respiration ». Voajanahary sy mahasoa kokoa ny miaina amin'ny orona, saingy misy olona maro no zatra na voatery miaina amin'ny vava noho ny olana amin'ny lalan-drivotra. Ny fifohana rivotra amin’ny vava irery ihany nefa, indrindra raha maharitra, dia mety hisy fiantraikany amin’ny fahasalamana sy ny kalitaon’ny fiainana. ‘Ndeha horesahana eto àry ireo vokadratsin’ity fahazarana matetika tsy voamarika ity.
Inona no mahatonga ny olona sasany miaina amin’ny vava ?
Matetika dia vokatry ny fahasahiranana na fahasarotana amin’ny fifohana rivotra amin’ny orona no mahatonga ny olona miaina amin’ny vava. Mety izany noho ny fahatsentsenan’ny orona maharitra, « allergie », fahasimban’ny rindrin’ny orona (déviation du cloison nasal), fivontosana amin’ny « adénoïdes », na koa fahazarana efa hatramin’ny fahazazana.
Rehefa tsy mahavita mifoka rivotra tsara amin’ny orona ny olona iray dia misafidy ho azy iaina amin’ny vava ny vatana mba hahafana mahazo « oxygène » ampy.
Inona no mety ho fiaintrakan’izany ?
Maro ny mety ho fiantraikan’ny fifohana rivotra amin’ny vava, indrindra raha maharitra :
Maina lalandava ny vava.
Anisan'ny voka-dratsy hita matetika indrindra ny fahamainana ao amin'ny vava. Tsy mahavita toy ny orona izay manadio, manafana ary manalefaka ny rivotra alohan'ny hidirany any amin'ny havokavoka, ny vava. Rehefa miaina amin’ny vava maharitra dia mety hahatonga :
-Fahatsapana ho maina ny vava rehefa mifoha;
-Fahasarotana amin'ny miteny na mitelina;
-Fahatsapana marary na manorisory ao amin’ny tenda;
-Fitomboan'ny mety hisian'ny lavadavaka amin'ny nify.
Mety hiteraka fofom-bava ratsy
Noho ny fahamainana ao am-bava dia mitombo mora kokoa ireo bakteria mahatonga ny fofona ratsy. Izany no mahatonga ny olona miaina amin'ny vava hanana fofom-bava ratsy rehefa mifoha maraina. Raha tsy voavaha ny antony mahatonga izany dia mety ho lasa olana maharitra io fofom-bava ratsy io.
Mitombo ny olana amin'ny nify sy ny hihy
Mety hisy fiantraikany lehibe amin'ny fahasalaman'ny nify sy ny hihy ny fifohana rivotra amin'ny vava. Ny tsy fahampian'ny hamandoana ao am-bava dia mampitombo ny fitangoron'ny bakteria, ny fivontosan'ny hihy ary ny fahasimban'ny nify.
Mety hanova ny fivelaran'ny tarehy amin'ny ankizy
Ho an'ny ankizy dia mety hisy fiantraikany amin'ny fitomboan'ny tarehy sy ny valanorano ny fifohana rivotra amin’ny vava maharitra. Anisan’ny mety hitranga ny hoe :
-Lava kokoa noho ny mahazatra ny tarehy ;
-Mihemotra ny valanorano ;
-Tsy mirindra tsara ny nify ;
-Olana amin'ny firindran'ny nify rehefa mikatona ny vava.
Indraindray aza dia mety hila fitsaboana « orthodontique » rehefa lehibe kokoa ny zaza.
Tsy mahomby tsara ny fifohana rivotra
Tsy fantsona handalovan'ny rivotra fotsiny ny orona. Izy io dia manivana vovoka sy loto, manalefaka sy manafana ny rivotra, ary manampy ny vatana handray « oxygène » amin'ny fomba mahomby kokoa.
Rehefa miaina amin’ny vava irery ihany, dia very ireo fiarovana voajanahary ireo. Vokatr'izany dia mora tratran'ny vovoka, « allergie » ary fahasosorana amin'ny lalam-pisefoana ny olona.
Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo?
Tsara ny manatona dokotera raha mahatsikaritra ireto soritr'aretina ireto:
-Matetika maina ny vava rehefa mifoha;
-Havizanana tsy misy antony mazava;
-Tsentsina mandrakariva ny orona;
-Fofom-bava ratsy tsy mety miala;
-Fahasarotana miaina (mifoka rivotra) rehefa matory.




