• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Reny&Zaza

Ireo fiovana mety miseho eo amin’ny tarehy mandritra ny fitondrana vohoka

13/10/2026 13:29 © Moov.Mg

Anisan’ireo fiovana mety miseho mandritra ny fitondrana vohoka ny fiovana eo amin’ny tarehy. Ny fiovan’ny hormonina, ny fitomboan’ny habetsahan’ny rà mivezivezy sy ny fiovan’ny fiasan’ny vatana isan’ireo antony mahatonga izany. Mety ho malefaka ireo fiovana ireo, fa mety ho hita be ihany koa amin’ny sasany. Matetika dia mandalo ihany izy ireny ary mihena tsikelikely aorian’ny fiterahana.

Maninona no miova ny tarehy mandritra ny fitondrana vohoka?

Ny fiovana eo amin’ny tarehy mandritra ny fitondrana vohoka dia vokatry ny fiakaran’ny hormonina toy ny « œstrogène » sy ny « progestérone ». Ireo hormonina ireo dia misy fiantraikany amin’ny fikorianan’ny rà, ny famokaran’ny hoditra menaka, ny lokon’ny hoditra ary ny fitazonan’ny vatana rano. Satria moa samy hafa ny fitondrana vohoka tsirairay dia misy bevohoka mahita fiovana maro amin’ny tarehiny, ary misy kosa ireo zara raha misy na tsy misy fiovana mihitsy.

Tasy ateraky ny fitondrana vohoka na « masque de grossesse »

Anisan’ny fiovana malaza indrindra ny "masque de grossesse". Miseho amin’ny endrika tasy volontsôkôlà na volondavenona eo amin’ny handrina, ny takolaka, ny orona na ambonin’ny molotra izy io.
Vokatry ny fitomboan’ny famokarana « mélanine », izay pigmenta manome loko ny hoditra, no mahatonga izany. Mety hampitombo na hampihombo ireo tasy ireo ihany koa ny tara-masoandro ka izay no antony anoroan’ny mpitsabo hoditra ny fampiasana fiarovana amin’ny masoandro isan’andro mandritra ny fitondrana vohoka.

Hoditra mamirapiratra kokoa... na lasa mitera-menaka kokoa

Misy vehivavy mahatsikaritra fa mamirapiratra kokoa ny hodiny mandritra ny fitondrana vohoka. Antsoina hoe "glow de grossesse" izany matetika. Ny fitomboan’ny fikorianan’ny rà sy ny fiovan’ny hormonina dia mety hanome endrika mamelombelona sy mamirapiratra ny hoditra.
Etsy ankilany kosa dia mety hitombo ihany koa ny famokarana menaka eo amin’ny hoditra. Izany dia mety hahatonga ny hodi-tava ho mitera-menaka kokoa sy hampipoitra mony, na dia amin’ireo vehivavy tsy dia nisy mony aza taloha.

Takolaka lehibe kokoa

Matetika dia mampitombo ny fitazonan’ny vatana rano ny fitondrana vohoka. Noho izany dia mety hitombo kely ny tarehy, indrindra ny takolaka.
Matetika tsy mampanahy io fiovana io. Na izany aza, raha mibontsina tampoka na be loatra ny tarehy dia tsara ny manatona mpitsabo satria mety ho famantarana olana toy ny « prééclampsie » izany.

Mety mivelatra kokoa ny orona

Misy vehivavy mahatsapa fa mihalehibe na mivelatra ny orony mandritra ny fitondrana vohoka. Ny fitomboan’ny habetsahan’ny rà sy ny fitazonan’ny vatana rano dia mety hahatonga ny tavy manodidina ny orona hibontsina, ka hahatonga azy ho toa lehibe kokoa. Matetika dia miverina amin’ny laoniny io fiovana io aorian’ny fiterahana.

Mety ho matavy kokoa ny molotra

Ny fitomboan’ny fikorianan’ny rà sy ny fitazonan’ny vatana rano kely dia mety hahatonga ny molotra ho feno sy ho matavy kokoa eo amin’ny vehivavy sasany. Fiovana mandalo ihany izany ary matetika tsy misy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalamana.

Ahoana no hikarakarana ny tarehy mandritra ny fitondrana vohoka?

Ireto misy torohevitra tsotra mba hikarakarana ny tarehy mandritra ny fitondrana vohoka :
-Mampiasa fiarovana amin’ny masoandro isan’andro (satroka, mitondra elo, crème solaire…).
-Manadio ny tarehy amin’ny vokatra malefaka.
-Mampiasa « crème » manalefaka sy manome hamandoana ny hoditra.
-Misotro rano ampy.
-Mihinana sakafo voalanjalanja.
-Tsy mampiasa fanafody na vokatra kosmetika tsy voatondro ho an’ny bevohoka.
-Manatona mpitsabo raha misy fiovana mampiahiahy.

Lire la suite

Articles Similaires