• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Matsf
Image
Vaovao

Boky rovitra : afainganina ny fanarenana ireo tahirin-kevitra simba ho fisorohana ny fifanolanana

06/11/2026 17:38 © Moov.Mg

Mitady famatsiam-bola hanafainganana ny fanarenana ireo Boky Rovitra sy Sarin-tany Rovitra, ireo ministera telo voakasik’izany mivantana, ka 10 000 isan-taona ny tahirin-kevitra kendrena haverina amin’ny laoniny ho an’ny taona 2025 sy 2026. Tanjona ny hiarovana ny zon’ny tompon-tany sy fisorohana ny fifanolanana.

Mbola olana lehibe sedrain’ny sehatry ny fananan-tany eto Madagasikara ny fahasimban’ireo boky mirakitra ny fisoratana sy ny tantaran’ny fananan-tany, na « Boky Rovitra », ary ireo sarintany momba ny tany na « Sarin-tany Rovitra ». Tsy fahasimban-taratasy tsotra ihany anefa izany, fa mety hanasarotra ny fanamarinana ny zo maha-tompon-tany, ny fikarohana ny mombamomba ny tany ary ny fikarakarana ireo raharaha mifandraika amin’ny fananan-tany. Ahiana, araka izany, ny fahaverezan’ny tahirin-kevitra sarobidy sy ny fisian’ny fifanolanana vokatry ny tsy fahafahana manamarina ny tena tompon’ny tany.

Mitady vahaolana ara-bola ny ministera

Ho fanafainganana ny fanarenana ireo tahirin-kevitra simba, dia nivory ireo solontena teknika avy amin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany, ny Minisiteran’ny Fitsarana ary ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny alakamisy 5 novambra 2026. Nitarika ny fivoriana ny Tale Jeneralin’ny Tahirim-pirenena momba ny Fananan-tany, Atoa Ramiandrisoa Freddy Etienne. Namafisiny, nandritra izany, fa vahaolana azo antoka sy maharitra no andrasan’ny vahoaka manoloana ny olana ateraky ny Boky Rovitra sy ny Sarin-tany Rovitra. Anisan’ny nodinihina nandritra ny fivoriana ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ireo fihaonana teo aloha, ny raki-paika hampanjariana (manuel de procédure) novolavolain’ireo sampandraharaha teknika misahana ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany, ary ny paikady hanatanterahana ny tetikasa. Nodinihina manokana ihany koa ny fomba hanarenana ireo boky sy sarintany simba tanteraka na amin’ny ampahany.

Mbola sakana lehibe amin’ny fanatanterahana ny tetikasa kosa ny lafiny ara-bola. Efa voaomana ny Taratasy Fampandehanan-draharaha (Ordre de Route – OR), raha hatao amin’ny alalan’ny Fifandraisana Am-bava (Communication Verbale – CV) kosa ny fandraisana an-tanana ny fandaniana. Takiana, araka izany, ny fanolorana tetikasa miaraka amin’ny tombam-bidy mazava sy amin’ny antsipiriany, hahafahana mametraka ny fangatahana famatsiam-bola. Hotadiavina manokana ireo loharanom-bola hahafahana manatanteraka ny asa.

Tahirin-kevitra an’aliny no haverina amin’ny laoniny

Efa tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny fanjakana ny fanarenana ireo tahirin-kevitra simba. Raha ny vinavina napetraka tao anatin’ny fandaharanasa 2024-2026, dia miisa 4 500 ny antontan-kevitra nokendrena haverina amin’ny laoniny tamin’ny taona 2024. Tafakatra 10 000 kosa ny tanjona ho an’ny taona 2025 sy 2026. Ho tohin’ny dinika efa natomboka dia hisy, tsy ho ela, ny fivoriana famaranana ara-teknika iarahana amin’ireo tompon’andraikitra mpandray fanapahan-kevitra eo anivon’ireo ministera voakasika.

Antoka lehibe ho amin’ny fiarovana ny zon’ny tompon-tany, ny fisorohana ny fifanolanana ary ny fitandroana ny tahirin-kevitra fototry ny fananan-tany eto Madagasikara ny fahatanterahan’ity tetikasa ity.

Lire la suite

Articles Similaires