• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © L'Usine Nouvelle
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fianakaviana salama : Diabeta, andao resahana

10/03/2023 08:38 © Moov.Mg

Aretina miha mahazo vahana eto Madagasikara ny diabeta nefa mbola maro ny tsy mahafantatra ny momba azy. Rehefa tsy voatsabo anefa ny diabeta dia mety mitarika fahajambana, fery tsy mety sitrana ary mety miafara amin'ny fahafatesana. Andeha ary ho resahina eto ny atao hoe diabeta sy ny fomba hiadiana aminy.

Inona no atao hoe diabeta ?

Ny diabeta dia aretina hateraky ny fiakarana maharitra ny tahan’ny siramamy anatin’ny rà noho ny tsy fahalavorarian’ny asany insuline. Ny insuline dia hormone vokarin’ny sela ao amin’ny sakaraty. Rehefa be loatra ny fatran’ny siramamy ao amin’ny rà, lasa sarotra amin’ny sakaraty no manodina io siramamy io ho tonga any amin’ny sela. Ilain’ny sela anefa ny siramamy, aminy fatra antonony, mba hampatanjaka ny vatana. Misy karazany roa ny diabeta : ny diabeta sokajy 1 sy ny diabeta sokajy 2. Rehefa tsy voatsabo ny diabeta dia mitarika aretin’ny taova isan-karazany, aretin’ny maso mety ho mahajamba, tsy fikorinan’ny rà mitarika fanapahana ny tongotra, fahatapahan’ny lalan-drà, fijanonan’ny fo, fahafatesana.

Ireo anton’ny diabeta

Ny ankizy sy ny tanora matetika no voakasiky ny diabeta sokajy 1. Ny tsy fahampian’ny famokarana insuline eo amin’ny sakaraty no mahatonga azy. Ny diabeta sokajy 2 no mahakasika olona betsaka indrindra raha ny eto Madagasikara. Matetika ny olona matavy no tratra izany. Rehefa misy tavy mantsy ao amin’ny aty sy ny sarakaty, dia sarotra amin’ny vatana ny mampidina ny fatran’ny siramamy ao anaty ra. Ny fihinanana siramamy be loatra sy ny tsy fahampian’ny fanatanjahantena ihany koa dia mety mitarika diabeta.

Ny fomba fiseho ny diabeta

Anisan’ny fomba ahafantarana fa diabetika ny olona iray rehefa noana lava, mangetaheta lava, miha matavy na mihen-danja tampoka, miakatra tosi-drà, mangovitra matetika ny tanana sy ny tongotra, fanina matetika, ambony ny tahan’ny glycémie (siramamy ao anatin’ny lalan-drà), manjavona ny maso na koa reraka lava. Mila manantona mpitsabo avy hatrany vao mahatsikaritra ireo soritr’aretina ireo. Mora kokoa ny mitsabo ny diabeta rehefa hita aloha ny fisiany ao amin’ny vatana.

Inona ary ny fomba atao hisorohana ny diabeta ?

Mila manao fitiliana matetika ny olona manana fianakaviana akaiky voan’ny diabeta satria aretina manaranaka ity farany. Ny olona manana tahana siramamy ambony ao anaty ny rà ihany koa dia mila manao fitiliana mba hisoroana ny fiandohan’ny diabeta sokajy 2. Fomba iray isorohana io aretina io ihany koa ny fihinanana sakafo mahasalama. Ahena ny fihinanana siramamy sy sakafo be menaka. Mila misotro rano betsaka ary sakafo be otrikaina no hoanina. Ary farany, miezaka manao fanatanjahantena isan’andro mba hidinan’ny fatran’ny siramamy ao anaty rà.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo