• Cours de change
  • 4688.34 AR
  • |
  • $4422.6 AR
Copyright Image : © Sitenyr /Andryr
Image
Vaovao

Fifidianana filoham-pirenena 2023 : Mitohy ny fifampihantsiana eo amin’ireo “kandida”

20/03/2023 02:32 © Moov.Mg

Ny 9 novambra amin’ity taona ity no daty voafaritry ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI hanatanterahana ny fiodinana voalohany ho an’izay ho filoham-pirenenana. Valo volana alohan’ny fifidianana dia efa manomboka sahady ny fampielezan-kevitr’ireo mety ho kandida hilatsaka ho vidiana.

Tato anatin’ny roa herin’andro teo anefa izay dia hita fa manomboka mienjana ny tady eo amin’ireo mety ho kandida. Hita taratra any anatin’ny fandraisam-pitenenanna samihafa ataon’izy ireo mandritra ny fidinana ifotony izany fifampihantsiana izany.

Samy mampiseho ny heriny

Na dia mbola tsy nisy aza ny filazana ofisialy fa hilatsaka ho fidiana ho filoham-mpirenenana i Andry Rajoelina sy i Siteny Randrianasoloniaiko dia efa mamofopofona fampihelezan-kevitra kosa ny fitetezam-paritra izay tanterahin’izy ireo amin’izao fotoana. Herin’andro maromaro izay dia hita sy tsapa fa misy tokoa ny fifaninana eo amin’ny roa tonta.
“Vao maheno ny anarako dia mipipi pataloha”, hoy ny Filoha rehefa miresaka momba ny fahaizany hay ady “Karaté”. Efa mitoky amin’ny fahalaniany ho filoha-mpirenenana indray mantsy ny filoha Andry Rajoelina raha ohatra ka hilatsaka ho fidiana ihany amin’ity fifidianana 2023 ity. Mbola mahavory vahoaka maro tokoa moa ny tenany mandritra ny fiodinana izay ataony manerana ny Nosy. Ary mandritra ireny fidinany ifotony ireny dia tsy tapaka izy maneho ny heriny sy mampiseho ny mbola mampalaza azy.
Etsy an-daniny dia milaza i Siteny fa izy indray kosa no “Vrai champion fa tsy fake champion”. Efa mitety faritra sy distrika hafa ihany koa ankehitriny ity depiote izay lany tao Toliara I ity. Ary efa manomboka mahavory vahoaka maro foana mandritra ny fidinany ifotony. Efa hita taratra sahady ankehitriny ny fifanintsanana eo amin’ireto mety ho kandida ho filoham-pirenenana roa ireto.

Kandida hafa

Mahakasika ireo mety ho kandida hafa kosa dia mbola tsy dia harenesana teny firy loatra izy ireo, na dia efa manomboka miketriketrika ny fanomanana ny fifidianana ho avy io ary. Raha ny filoham-pirenenana teo aloha Marc Ravalomanana manokana no resahana ohatra dia efa mandeha ihany koa ny fitetezana vohitra sy faritra. Matetika misedra olana amin’ny fampivoriana ny mpanara-dia aminy anefa izy ary mitaraina ny amin’izany. Vao tsy ela akory fa omaly dia nifandona tamin’ny mpitandro ny filaminana indray ireo mpiara-dia aminy ehefa nikasa ny hanatanteraka famorim-bahoaka tetsy Itaosy. Fanentanana ny vahoaka andeha hifidy anefa no tanjona tamin’izany.
Etsy an-daniny dia milaza hatrany ny tompon’andraikitra fa tsy nahazoana alàlana ny famoriana izay tanterahin’ny antoko ka mahatonga ny mpitandro ny filaminana midina ifotony. Ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina koa dia efa manomboka tsimoramora izany fiomanana izany, ary efa manatanteraka fivoriana matetika miaraka amin’ireo mpiara-dia aminy sy ireo tanora mitovy fomba fijery amin’ny antoko HVM.
Samy manana ny paik’ady entiny miady avokoa ireo mety ho kandida ho filoham-pirenenana 2023. Na dia mbola tsy tafiditra ao anatin’ny fotoanan’ny fampihelezan-kevitra ary dia efa hita sy re fa maro ireo mety ho kandida izay efa manao fitsidiham-paritra sy fidinana ifotony handresen-dahatra ny vahoaka hifidy azy ireo.
Mitohy ihany anefa ny an-davan’androm-piainan’ny vahoaka sy ny fahasahiranany izay efa mihatra aman’aina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo