• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Le Lac Saint-Jean
Image
Madagasikara

Étoile filante : Tena mahatanteraka nofinofy ve ?

05/04/2024 10:04 © Moov

Faly ery ny tsirairay rehefa mahita "étoile filante", na ny kely na ny lehibe. Maro ireo milaza hoe mila miteny (an'eritreritra na tenenina mafy) izay nofinofy rehefa mandalo ireny taikitana ireny. Tsy maintsy tanteraka hono mantsy izay nofinofy tenenina eo.

Raha ny famaritana no resahina dia Kintana manan-drambo ao anatiny fari-bolana, manazava ny rahona rehefa maizina ny andro. Tsy tena kintana nefa izy io, fa zavatra kely mamiratra izay mifandona amin'ny atmosfera eto an-tany, , izany hoe ny soson'ny rivotra ahafahantsika miaina. Mitsiritika tokoa ny taikitana satria eo ho eo amin'ny 58 km/s na 210 000 km/h ny hafainganam-pandehany. Indray mitopy ihany izany no mety hahatazanana azy. Izany no ilazana fa tsara vintana ireo sendra mahita izany.

Finoana efa voarakitra anaty kolontsaina maro

Na aiza na aiza toerana misy eto amin'izao tontolo izao dia midika zavatra tsara hatrany ny fahitana ny tainkitana. Efa tamin'ny vanim-potoana talohan'i Jesoa Kristy no nahaliana ny maro ny "étoiles filantes". Heverina mantsy fa ireo "astres" eny ambony eny dia akaiky ny mpahary ka afaka mitondra hafatra tsara, mba hahatanteraka ireo fanirian'olombelona. Nisy mihitsy aza moa ireo nivavaka tamin'ny volana, tamin'ny kintana na tamin'ny masoandro. Misy ireo miakatra eny an-tendrombohitra na mandeha amin'ny toerana somary mitokana mba hahita rambon-kintana.
Amintsika Malagasy, mifaningotra amin'ny finoana tokoa ny fahitana ny taikintana. Ireto ary misy fiheverana vitsivitsy araka ny fiheveran'ny Ntaolo :
-Pi-maso avy amin'Andriamanitra Andriananahary, ny amin'ny fihainoany vavaka, indrindra ho an'ireo olona efa kivy sy ketraka ;
-Andriamanitra mijery manokana ka tsara raha manonona fangatahana eo no ho eo ;
-Hafatra mitondra fanantenana ho avy amin'ireo efa nodimandry, indrindra ireo olona akaiky.

Hevitra samihafa

Tsy voabaikon'olombelona ireo "astres" rehetra eny amin'ny lanitra ka izay tranga somary miavaka dia ambara avokoa fa hetsika avy amin'ny Mpahary. Amin'ny vanim-potoana mafana no tena hahitana azy mandalo eny amin'ny lanitra eny. Indraindray dia miaraka maromaro ireo kintana, ka antsoina hoe "pluie d'étoiles filantes".
Maro ireo olona no sahy mijoro vavolombelona fa tanteraka tokoa ny nofinofy noho ny nahitana tainkitana, indrindra moa fa ireo mandala ny resaka "Astronomie". Misy mihitsy aza ireo mino fa manarim-bintana ny fahitana izany. Tsy azo lavina fa misy akony lehibe amin'ny tsirairay ny hery tsy hita maso.

Ampirorisihina nefa ny tsirairay mba hiezaka hatrany ny amin'ny hanatanterahana ireo nofinofy rehetra fa tsy hiankina amin'ny kisendrasendra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo