• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Net
Image
Madagasikara

Felatanantsifoana : Voninkazo mitondra fanambinana ara-bola

08/04/2024 11:19 © Moov

Samy manana ny asany avokoa ny zavaboary rehetra. Misy ireo zava-maniry no natao hitsaboana, hanamboarana trano na fanaka, handrahoana sakafo, sns. Maro ihany koa ny voninkazo manambina ara-bola, toy ny Felatanantsifoana.

Efa an-taonany maro no ninoan'ny Malagasy fa manambina ara-bola ny Felantanatsifoana. Araka izany anarany izany, manampy ny olona manana azy mba tsy hanana fahasahiranana ara-bola izy. Misintona vintana tsara amin'ny resaka vola izany izy. Raha ny hevitr'ireo mpitsabo nentim-paharazana, tsara kokoa ny miara-mikolokolo ny Felatanantsifoana lahy sy vavy, mba hahazoana vokatra tsara.

Kalanchoe Eriophylla - Felatanantsifoana lahy

Ny Felatanantsifoana lahy no tena betsaka eny an-tsena. Manomboka amin'ny 1 000 ariary dia efa mahazo vatombantony. Ity karazana Felatanantsifoana no tena mahazatra amin'ny maro, fantatra amin'ilay raviny maramara manopy volon-tsokola na volon-davenona, somary voloina. Mamoa fotsy izy, saingy eo ho eo amin'ny indray na indroa isan-taona ihany. Ny raviny no tena haingony araka izany.
Misy karazany somary manopy fotsy ihany koa, izay toy ny ravina nilatsahan'ny ranomandry. Mamoa mavokely indray izy io. Raha ho an'ny eto Antananarivo, eny amin'ny tsenam-boninkazo Anosy no ahitana karazana Felatanantsifoana. Sady mitondra soa izy no manaingo tanàna ihany koa.
Maromaro mihitsy ny karazana Felatanantsifoana lahy, avahana amin'ny alalan'ny raviny. Azo atao tsara ny manao "collection" indrindra ho an'ireo tia voninkazo sy tia manaingo zaridaina.


Copyright Image : © Word of succulents

Echeveria pulvinata - Felatanantsifoana vavy

Echeveria pulvinata no anarana siantifika hisaloran’ny felatanantsifoana vavy, antsoin’ny olona hoe falantanantsifoana vazaha ihany koa. Miavaka kely izy amin'ny raviny maitso sy ny voniny mena. Somary lafo kokoa izy sady vitsy raha mitaha amin'ny Felatanantsifoana lahy. Raha atao amin'ny aloka izy dia maitso ny raviny, fa rehefa mahazo masoandro tsara kosa dia misy sisiny mena tsara tarehy izany raviny izany.
Araka ny lovan-tsofina, tena ilain'ny rehetra ny mamboly Felatanantsifoana, indrindra ho an'ireo vao mihary sy ireo manodina vola. Amin'ny Malagasy dia filazana loza ny fahafatesan'io voninkazo io. Voalaza ihany koa fa mamaritra ny toe-bola ny endriky ny raviny : raha botabota tsara sady toa misy rano ao anatiny dia mandroso tsara ny asa fitadiavana, fa raha somary makina dia mila manarina sady mitandrina.


Copyright Image : © Giromagi

Fikolokoloana ny Felatanantsifoana

Tsy mifidy tompo izy ny Felatanantsifoana fa mety sy manambina ny olona rehetra, eny fa na ireo tsy ambinina voninkazo aza. Mamony haingana sy betsaka kokoa anefa izy ho an’ny olona sasany, arakaraky ny vintana , ny planeta sy ny kintana nololohavina tamin’ny andro naterahana. Atao amin'ny masoandro io voninkazo io satria anisan'ny "plantes grasses" izay mila hafanana.
Atao tavy (pot) samihafa ny Felatanantsifoana lahy sy vavy, satria tia rano kokoa noho ny felantantsifoana lahy ny felantanantsifoana vavy. Amin'ny ankapobeny nefa, ampy tsara ny fanondrahana azy indroa na in-telo isan-kerinandro. Maraina na harivariva no fanondrahana azy fa tsy ao anatin’ny andro mafàna be sy ny mitatao vovonana. Tsara raha miresaka aminy ny tompony isan'andro, indrindra rehefa handeha hikarama.


Copyright Image : © Kaktus

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo