• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Haja Placide Kaloper
Image
Madagasikara

Taombaovao Malagasy : Manomboka androany 9 aprily ny Alahamadibe

09/04/2024 11:12 © Moov

Samy manana ny andro ankalazany ny Taombaovao Malagasy ny vohitra tsirairay. Raha amin'ny fanisana mahazatra dia ny 21 marsa hatramin'ny 20 aprily no faritana hoe Alahamady na "Belier". Izany indrindra no iombonan'Ambohimanga, Antehiroka, Ambatofahavalo ary Anosimanjaka mankalaza ny Alahamadibe manomboka androany 9 aprily, ka tsy hifarana izany raha tsy ny 11 aprily.

Fanisana andro vahiny (tandrefana) ny Alahamady izay nankalazaina ny 11 marsa lasa teo. Maro mantsy ny mametra-panontaniana hoe impiry marina ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy ary inona ny daty tena izy.

Tantaran'ny Taombaovao Malagasy

Androany 9 aprily 2024, vava Alahamady, andro voalohany amin’ny taona teo amin’ny tetiandro malagasy miankina amin’ny volana, nitondran’ny Fanjakan'andriana nifandimby teo Imerina sy Antananarivo ny tany. Efa hatrany amin'ny andron’ny Mpanjaka Ralambo (1575-1610) sy ny Mpanandro lehibe Habib izao fankalazana ny Taombaovao Malagasy amin'ny andro Alahamady izao. Mifanjohy amin'ny Ramadany ny taona vaovao Malagasy, ka rehefa tapitra ny fifadiana (Ramadany) dia manatanteraka ny fety lehibe atao hoe “IDY LEHIBE” ny Silamo, fa ny Malagasy kosa dia mankalaza ny fahatongavan’ny taona vaovao. Samy mifety izany ny roa tonta. Ny volana voalohany amin'ny taona Malagasy dia ny Alahamady, ny volana faharoa dia ny Adaoro, ny volana faha telo dia ny Adizaoza, ny volana faha efatra dia ny Asorotany, sns. Tsara ny manamarika fa samy manana ny foto-pinoany ny Silamo sy ny Malagasy na dia misy daty ifanarahana aza.
Anosimanjaka moa dia tanàna iray eo anelanelan’ny Vohitra Ambohitrimanjaka sy Ampangabe, ary eo atsimon’Ambohidratrimo. Tany ampiandohana dia tany voadidina rano feno apanga izy io, izany hoe “Nosy”. Misy ny Fasan'i Nenibe Ranavalotsimitoviaminandriana ao, izay zanak'Andriamasinavalona.

Fandaharam-potoana eny Anosimanjaka

« Sambasamba zanahary fa tratry ny taona, arahaba tratry ny taona e, ho arivo tratry ny taona e, ho ela velona, masina e ». Azon'ny besinimaro atrehina ny fankalazana ny Alahamadibe eny Anosimanjaka.
-Talata 09 Aprily : Arendrina manodidina ny tanàna, manomboka amin'ny 6 ora hariva.
-Alarobia 10 Aprily : Fankalazana manetriketrika izay hanaovana famonoan'omby sy handraisana tso-drano. Hisy ihany koa ny fizarana hena manitra sy ny nofon-kena mitam-pihavanana. Amin'ny 10 ora ny fanombohana.
-Alakamisy 11 Aprily : Hiragasy hifanandrinan'ny Tarika Emilison avy ao Arivonimamo sy ny Tarika Rafara Hasimanga Georgine avy ao Ambohimandroso. Amin'ny 10 ora ihany koa ny fanombohana.

Tontolo ara-panahy

Araka ny finoana Malagasy, fotoanan'ny hatsarana ny 9 aprily. Fotoana fisokafan'ny varavaram-panahy rehetra mampifandray ny Lanitra sy ny Tany izany ny andro anio ka ireto no azo atao :

-Fanaovana saotra (fisaorana)
-Fanaovana fangatahana
-Fangatahana tso-drano
-Fanapahana hozona
-Fampiakarana hovitra
-Fanombohana vaovao
-Fialana sy fanalana ny ratsy rehetra


Copyright Image : © Zanadranavalona Anosimanjaka

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo