• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Sat
Image
Asa & Fianarana

Mpiasa maniry hiasa tena : torohevitra alohan’ny hirosoana amin’izany

09/04/2024 08:17 © Moov.Mg

Maro tokoa ankehitriny ireo mpiasa maniry ny hanana ny fitadiavam-bolany manokana. Anisan’ny antony mahatonga izany ny tsy fahampian’ny karama, ny faniriana te ahaleo tena amin’ny asa… Tsy mora nefa ny miasa-tena. Mba hiomanana tsara sy hampahomby izany tetik’asa izany ary dia ireto misy torohevitra vitsivitsy tsara fantarina alohan’ny hirosoana.

Fantarina mazava ny antony manosika hiasa-tena

Tontolo samihafa tokoa ny fiasana aman’olona sy ny fiasana tena. Alohan’ny hanapahana hevitra dia mila fantarina mazava ny antony hirosoana amin’izany asa-tena izany. Maniry ny ahaleo tena amin’ny asa ve ? Te hanatratra tanjona vaovao ? Te hampitombo ny fidiram-bola ? Misy fanararaotra tiana hidirana ? Te hivelona amin’ny asa tena tiana ve ? Miankina betsaka amin’ny antony manosika hiditra amin’ny fanaovana asa tena ny fananana risi-po, fahazotoana sy faharetana amin’ny fanatanterahana ny tetik’asa atao sy hiatrehana ireo sakana rehetra mety hiseho an-dalana.

Faritana ny tetik’asa tiana atao sy mifanaraka amin’ny fahaiza-manao ananana

Mila fandinihana lalina ny fisafidianana sy ny fananganana ny tetik’asa hirosoana amin’ny fanaovana asa-tena. Tandremana tsara mba ho zavatra tiana sy hananana fahaiza-manao no hananganana tetik’asa. Tsy voatery hoe ny asa natao tao amin’ny orinasa niasana teo aloha no sehatra idirana fa mila kosa zavatra voafehy tsara. Fadiana ihany koa ny misafidy asa iray satria hoe izay no hita fa mandeha. Raha tsy tiana sy tsy hay io asa io dia tsy hiroborobo velively. Noho izany, alohan’ny ananganana tetik’asa dia mila faritana tsara ny sehatra hidirana.

Adiadiana ny tsenam-barotra sy ny lalam-barotra

Rehefa voafaritra mazava ny sehatra hidirana amin’ny fanaovana asa-tena dia miroso amin’ny fanadiadiana ny tsenam-barotra sy ny lalam-barotra. Mila fantarina hoe mbola malalaka ve ny tsenam-barotra sa efa betsaka loatra ny mpanao ilay asa. Ankoatra izay dia jerena ihany koa hoe aiza ny mpividy ny vokatra ary manao ahoana ny habetsak’izy ireo. Zava-dehibe ny famaritana ireo lafin-javatra ireo alohan’ny hanomboana ny tetik’asa mba ahafahana mamantatra hoe handeha sy hiroborobo tokoa ve izany.

Omanina ny lelavola entina hanatanterahana ny teti-kasa

Mila vola ny fidirana amin’ny sehatry ny asa-tena. Dieny mbola miasa aman’ny orinasa dia mila manangona ny vola ilaina hanatanterahana ny tetik’asa. Raha tsy ampy ny eo am-pelatanana dia azo atao ny miara-miasa amin’ny olona hafa afaka mampiasa vola. Raha mbola vao hanomboka tetik’asa dia tsy tsara ny mindram-bola amin’ny banky satria ho sarotra ny hamerina izany eny am-piandohan’ny asa. Ankoatra ny fiomanana ara-bola dia tsy adinoina ihany koa ny mikarakara ireo antontan-taratasy ara-panjakana ilaina amin’ny fanaovana asa-tena.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo