• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Ludomag
Image
Asa & Fianarana

Aterineto : fitaovana iray afaka hampianaran-tena

14/04/2024 16:07 © Moov.Mg

Mbola maro tokoa eto amintsika no tsy mahafantatra hoe tsy « Facebook » sy « Youtube » ihany no azo ampiasana ny aterineto. Any ivelany dia efa maro ireo manovo fahalalana sy mampiana-tena mihintsy amin’ny aterineto. Araho ary ireo torohevitra sy ireo rehetra tsara fantatra mikasika izany.

Ahitana fampianarana maro tsy andovam-bola amin’ny aterineto

Ho an’ireo olona tsy nahavita fianarana noho ny tsy fahampiana vola na noho ny antony hafa tsy azo anoharana dia fitaovana mahomby azo hanovozana fahalalana ny aterineto. Tsy tamby isaina ireo tranonkala sy ireo fampianarana tsy andoavam-bola hita ao. Na ireo mbola tanora tsy an’asa na ireo efa amperinasa dia afaka mianatra zava-baovao sy manitatra fahalalana amin’ny aterineto avokoa. Azo ampiharina tsara ireny zavatra vaovao hay ireny eo amin’ny tontolon’ny asa.

Maro ireo taranja azo ampianaran-tena

Maro dia maro ny taranja azo ampianaran-tena eo amin’ny aterineto. Anisan’izany ohatra ny teny vahiny, ny fikirakirana ny teknolojia sy ireo karazana asa atao amin’ny aterineto, ny fanaovana sakafo, ny fanaovana asa-tanana, ny fianarana mitendry zavamaneno… Ahitana fampianarana eo amin’ny aterineto avokoa ny ankamaroan’ireo asa rehetra azo atao. Anjaran’ireo maniry ny ampiana-tena no mamaritra ny taranja na ny zavatra tiany ianarana sy ny mikaroka ireo fampianarana misy.

Misy karazany maro ny fomba fampianarana eo amin’ny aterineto

Midadasika ary tsy mitsahatra mivoatra ny aterineto sy ireo « sites » sy « plateformes » misy ao aminy. Voakasik’izany fivoarana izany ihany koa moa ireo karazana fomba fampianarana hita ao. Ao ireo fampianarana mampiasa lahatsoratra, ao ireo mampiasa feo fotsiny ihany, mbola ao ihany koa ireo mampiasa rakintsary… Matetika ireo « sites » mifototra amin’ny fampianarana dia efa manana karazana fanazarana ampanaovina ireo olona mampiana-tena ao aminy. Mampahay tokoa ny ankamaroan’ireo fampianarana ao amin’ny aterineto indrindra ho an’ireo mazoto mikaroka sy mifantoka tsara amin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo