• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Tetik'asa Sandratra : Fandraisana an-tanana ireo "mère célibataire"

09/05/2024 10:56 © Moov

Tsy azo lavina fa maro ireo renim-pianakaviana no tokan-tena. Misy ireo nilaozan'ny rain-janany na nisara-panambadiana. Mifantoka amin'ny fandraisana an-tanana azy ireo indrindra ny tetik'asa Sandratra.

Efa eo amin'ny andiany faharoa izao ny tetik'asa Sandratra, tantanan'ny fikambanana "Aide et action" sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, vatsian'ny AFD vola. Tsy miova ny antom-pisian'ny tetik'asa, fa mijanona amin'ny famerenana sy fanamafisana ny toeran'ireo reny tokan-tena eo anivon'ny fiaraha-monina, sy fampandraisana anjara azy ireo amin'ny fampandrosoana ifotony.

Fanatanjahan-tena

Matetika dia ahiliky ny fiaraha-monina sady voatondro molotra ny reny tokan-tena. Anisan'ny heverina fa mampifaly sy mampahatoky tena azy ireo indray ny lalao tanterahin'olona maromaro. Izany indrindra no nanomezana azy ireo fanofanana ara-panatanjahan-tena tamin'ny alalan'ny Fitaleavana misahana ny fanatanjahan-tena eto anivon'ny Kaominina ka isan'izany ny Basket ball, ny Baolina kitra, rugby fa eo ihany koa ny Zumba. Nofaranana tamin'ny hetsika ara-panatanjahan-tena nandraisan'izy ireo anjara, ary narahana fanolorana amboara sy mari-pakasitrahana moa ny fiofanana.
Mbola hitohy hatrany moa ny fanampiana azy 900 mirahavavy, amin'ny alalan'ny hetsika isan-karazany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo