• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Maison & Travaux
Image
DYI

Fomba tsotra sy mandaitra hanesorana ny tasina rà amin’ny lamba

07/06/2024 09:31 © Moov.Mg

Isan’ireo zavatra sarotra esorina tokoa ny tasina rà amin’ny lamba. Ireto manaraka ireto ary misy torohevitra vitsivitsy mora atao nefa mandaitra hanalana ny tasina rà amin’ny lamba.

Sasana haingana ny lamba tasin’ny rà

Mora afaka kokoa ny tasina rà amin’ny lamba raha izy mbola maina iny no sasana. Tsy miandriandry noho izany fa diovina amin’ny rano mangatsiaka avy hatrany ilay akanjo na fonom-pandriana tratry ny rà. Raha maina tokoa mantsy ilay tasy dia miraikitra amin’ilay lamba ka ho sarotra ny hanala izany.

Rano mangatsiaka no hanasana ilay lamba

Raha mbola vao tratry ny rà ny lamba, izany hoe mbola mando ilay tasy, dia rano mangatsiaka no ampiasaina hanasana azy. Vao maika tokoa mantsy miraikitra amin’ilay lamba ilay tasina rà raha rano mafana no hanasana azy. Tsotra ny fomba atao, lomana anaty rano mangatsika mandritra ny 30 minitra ilay lamba, somary kosehana mora avy eo kobanina tsara. Afaka asiana vovon-tsavony ilay rano hanasana azy io raha hita fa miosona be ilay tasy.

Mampiasa ireo akora natoraly mandaitra amin’ny fanalana tasy

Ho an’ireo tasina rà efa maina na sarotra esorina dia mila mampiasa ireo akora natoraly mandaitra amin’ny fanalana tasy.
-Vinaigitra fotsy : Lemana vinaigitra fotsy tsara ny lamba madio ary petapetahana amin’izany ny faritra misy tasina rà. Avela hiasa mandritra ny 15 minitra dia kobanina tsara.
-Karibonetra : Afangaro ny karibonetra 1 sotro fihinanana sy ny rano mangatsiaka 2 sotro fihinanana. Afangaro tsara mba ahazo paty. Ity farany no ahosotra eo amin’ilay tasy ary avela hilona 30 minitra. Aorian’izay dia kosehana moramora avy eo kobanina.
-Voasary makirana : Zaraina roa ny voasarimakirana. Kosehana amin’ilay silany iny ny faritra misy tasy. Avela hiasa mandritra ny minitra vitsy alohan’ny hanakobanina azy amin’ny rano mangatsiaka.

Lire la suite

Articles Similaires