• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Fambolena : Hampitomboina 10 hatramin’ny 15% ny vokabary amin’ity taona ity

11/06/2024 15:43 © Moov

Hampitomboina hiakatra hatrany ny voka-bary eto Madagasikara amin’ity taona ity. Vinavinaina hiakatra 10 hatramin’ny 15% izany famokarana izany. Izany no voalazan’ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana androany nandritra ny fifampiresahany tamin’ny mpanao gazety. Efa manana paikady amin’izany i Madagasikara.

Hamporisihina ny fampiasana zezika

Anisan’ny olana iray mahatonga izany fahakelezan’ny vokatra izany ny tsy fahaizan’ny Malagasy mampiasa zezika. Araka izany dia hamporisihina ny mpamboly mba hampitombo ny zezika amin’ny fambolena. Raha ny fenitra ao anatin’ny fivondronan’ny firenena eto Afrika dia tokony zezika 50kg isaky ny hektara. Ny fepetra iraisam-pirenena indray dia milaza fa tokony zezika eo ho eo amin’ny 150kg eo no hampiasaina isaky ny hektara. « Miara-maisa amin’ny sehatra tsy miankina mpamokatra zezika ihany koa ny ministera amin’ny fampitomboana ny famokarana. Voaray ao anatin’izany avokoa na ireo zezika simika na ireo zezika biolojika », hoy hatrany ny minisitra, Rakotoarisolo Suzélin Ratohiarijaona. Anisan’ny miantoka ny fitomboan’ny vokatra izany fampiasana zezika izany ka izay indrindra no hamporisihina ny fampiasana azy.

Mampiasa fitaovana manara-penitra

Efa hamoraina ihany koa amin’izao fotoana izao ny fampiasana ny fitaovana manara-penitra. Hamporisihina ihany koa izany mba hanamorana ny famokarana. Ao anatin’izany ny fanomanana ny tany, fiotazana ny vokatra ary ireo fikarakarana rehetra. Anisan’ny tafiditra ao anatin’izany ihany koa anefa ny fampiasana ny masomboly voafantina. Mbola manao ezaka ihany koa ny fitondram-panjakana amin’ny fampitomboana ny famokarana masomboly. Amin’izao fotoana izao dia efa maro ireo masomboly tafavoakan’ny mpikaroka mahazaka ny toetr’andro eto Madagasikara. Efa mandeha amin’izao fotoana izao ireo fanandramana.
Ireo paik’ady rehetra ireo dia natao mba hahafahana manatratra ny tanjona amin’ny fialana amin’ny fanafarana vary avy any ivelany. Eo ihany koa ny tanjona amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ho an’ny Madagasikara manontolo.

Lire la suite

Articles Similaires