• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni Madagasikara
Image
Vaovao

Fifidianana solombavambahoaka : Mangataka fitoniana ireo kandida afa-po tamin’ny valim-pifidianana vonjimaika

11/06/2024 16:28 © Moov

Nilaza ho afa-po tamin’ny valim-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana CENI ireo kandida sasany. Nangataka ihany koa izy ireo ny hiandrasana am-pitoniana ny valim-pifidianana ofisialy izay havoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana (HCC). Tokony alohan’ny 26 jona izao izany no hivoaka.

Tokony hatoky ny CENI sy ny HCC

Nangataka ireto kandida sasany ireto ny hitokisana ny CENI sy ny HCC. Ny HCC hoy ny kandida avy ao Antsirabe I no hany rafitra afaka mamoaka amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana. Araka izany dia tsy tokony hanana ahiahy intsony isika fa tokony hiandry am-pitoniana izany vokatra izany. « Io no hany rafitra manana fahefana hamoaka izany vokatra izany », hoy hatrany ity mpifaninana avy ao Antsirabe ity. Anisan’ny nanamafy izany ihany koa ny Solombavambahoakan’ny Moramanga teo aloha, tonga nanatrika ity fanambarana ny vokatra vonjimaika ity. « Izay tsy lany tsy tokony hananga-peo hitondra ny vahoaka tsy hanaiky ny vokatra. Tokony hanentana ny olona hiandry am-pitoniana ireo vokatra ofisialy ny rehetra », hoy hatrany ny tenany. Raha ny fahitan’ireto olona tonga nanatrika ity lanonana ity dia tokony hiverina ny fahatokisana ny CENI satria azo lazaina ho tsy nisy fiovana ny vokatra vonjimaika sy ireo fironam-bokatra hafa. Nifanaraka tamin’ny eritreritry ny kandida nandresy vonjimaika avy ao Ambatofinandrahana ihany koa ity vokatra navoakan’ny CENI ity ka efa vonona ny hiandry am-pitoniana ny vokatra izy ireo.

Nisy lesoka

Misy tamin’ireo olona hafa ihany koa no nahatsikaritra lesoka tamin’ireo valim-pifidianana. Anisan’ny naneho ny heviny tamin’izany ireo avy amin’ny antoko politika isan-karazany. Misy ireo izay milaza fa tsy tao anaty demokrasia no nanatanterahana iny fifidianana iny ka tokony haverina dinihina. Etsy andaniny anefa dia mbola manana hatramin’ny alakamisy izao ireo mahatsapa lesoka tamin’iny voka-pifidianana iny hametrahana ny fitoriana eny anivon’ny HCC. Manana-jo amin’izany avokoa ireo kandida rehetra na avy amin’ny fitondrana na ireo mpanohitra na ireo mahaleotena. Araka izany dia mbola hanentanana hatrany ny fiandrasana am-pitoniana ny vokatra ofisialy.

Lire la suite

Articles Similaires