Fanamboarana « masque » manamandina volo amin’ny « henné neutre »
Isan’ireo akora natoraly azo avy amin’ny zavamaniry manampy betsaka amin’ny fikolokoloana ny volo ny « henné ». Maro ireo vokatsoa azo avy aminy raha toy ny fanamandinana ny volo sy ny fanalavana ny volo haingana kokoa. Azo hanamboarana « masque » fanamandinana volo vita ao an-trano ny « henné neutre » ka araho eto ary ny fanaovana azy.
Inona no atao hoe « henné neutre » ?
Ny « henné » dia akora natoraly azo avy amin’ny fanamainana sy ny fitotoana ny ravin-kazo atao hoe « Cassia italica ». Ahitana azy ireny eny an-tsena eny. Marihana fa misy karazany roa ny « henné ». Ny voalohany dia ny « henné colorant » izay fandokoana volo sy efa fahitantsika matetika. Ny faharoa dia ny « henné neutre » izay tsy mandoko ny volo fa azo ampiasaina tsara hikarakarana izany. Manadio, manamafy sy mampangirana ny volo ny « henné neutre » ary koa manamandina sy mampihena ny fihintsanan’ny volo.
Ny fomba fanaovana ny « masque hydratant » amin’ny « henné neutre »
Arotsaka anaty bol lehibe ny « henné neutre » 100g. Avy eo tapohana rano mafana tsikelikely sady aroharoana amin’ny sotro hazo.
Rehefa manomboka malama nefa somary marihitra ilay paty dia tsy tapohana rano mafana intsony.
Avy eo tapohana après-shampoing 2 sotro fihinanana ary aroharoana tsara mandrapahazoana paty malama sy malefaka tsara. Tokony mitovitovy amin’ny yaourt ilay paty.
Raha toa ka mbola matevina be ilay paty dia tapohana rano mafana kely ihany. Raha toa kosa ka lasa matsora be loatra dia tapohana « henné »
Fampiasana ny « masque henné hydratant »
Sasana toy ny mahazatra amin’ny shampoing ny volo. Rehefa vita izay dia hosorana ny « masque henné hydratant ». Tsy mila raisina tsikelikely ny volo fa tonga dia hosorana tsara daholo manomboka amin’ny fotony hatrany amin’ny lohany. Mila mihosotra tsara daholo ny volo rehetra. Rehefa vita izay dia fonosina bonnet, serveta na papier film ny loha. Avela hilona mandritra ny 30 minita. Rehefa tapitra izay fotoana izay dia kobanina tsara amin’ny rano matimaty na mafana ny volo. Atao afaka tsara daholo ny « masque » rehetra.