• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Afrique Femme
Image
DIY&Kolo-endrika&bika

Karazana legioma 3 manampy amin’ny fikolokoloana ny hodi-tava

13/11/2024 14:34 © Moov.Mg

Maro ankehitriny ireo olona mirona amin’ny vokatra natoraly ho fikarakarana ny vatana, indrindra ny volo sy ny hodi-tava. Mora vidy kokoa ary tsy dia atahorana hisy vokadratsy ho an’ny fahasalamana ny fampiasana azy ireny raha oharina amin’ireo vokatra misy akora simika. Mandaitra tokoa moa izy ireny rehefa hay ny misafidy sy ny mampiasa azy.

Atoro eto àry ny karazana legioma 3 manampy amin’ny fikolokoloana ny hodi-tava.

Ny « concombre »

Anisan'ny legioma efa fampiasa hatry ny ela amin’ny fikolokoloana ny hodi-tava ny « concombre ». Manankarena vitamina, mineraly sy « antioxydants » izy io ka manampy amin’ny fanamandinana ny hoditra sy ny fanomezana rano izany. Ankoatra izay dia manana fiasa « antiseptique » ity legioma ity ka tsara ampiasaina amin’ny tarehy be mony. Ny « masque concombre » natoraly dia mampihena ny « points noirs » sy ny tasy mena amin’ny hodi-tava. Tsotra ny fampiasana azy. Potserina miaraka anaty « mixeur » ny hodin’ny « concombre » antsasany sy ny menaka jojoba 1 sotro fihinanana. Io fangaro io no ahosotra eo amin’ny tarehy madio. Avela hilona mandritra ny 15 minitra dia kobanina. Rehefa avy tratry ny hainandro no tena tsara mampiasa ity « masque concombre » ity.

Ny karaoty

Mbola vitsy eto amintsika no mahafantatra fa azo ampiasaina hikolokoloana ny hodi-tava ny karaoty. Legioma isan’ny manankarena « bêta-carotène » izy io. Ity farany dia mandrisika ny famokarana « mélanine » sy manatsara ny lokon’ny hoditra. Noho izy mitahiry « antioxydants » toy ny vitamina C sy E dia miaro no hoditra tsy ho mora antitra sy ho simban’ny hainandro ihany koa izy io. Raha ampiasa ny karaoty amin’ny fikolokoloana ny hodi-tava dia tsotra ny fomba atao. Tetehana boribory fisaka ny karaoty 2 nosasana tsara (tsy voasana). Alahatra eo ambony lovia fisaka dia avela ho maina mandritra ny 4 na 5 andro. Afaka atao anaty lafaoro amin’ny hafanana 50°C mba ho maina. Avy eo atao anaty bocal dia rarahana menaka jojoba 50ml. Saromana lamba manify fotsiny mba hiala ny ambina hamandoana. Avela hipetraka 3 herinandro avy eo tatavanina. Io menaka io no ahosotra manify eo amin’ny hodi-tava isaky ny 2 andro.

Ny voatabia

Efa fahita eny amin’ny fiarahamonina eny ny fampiasana ny voatabia ho fikolokoloana ny hodi-tava. Ahitana vitamina C sy E ary « bêta-carotène » amin’ny tahany ambony ihany koa ao anatin’izy ireny. Manatsara ny lokon’ny hoditra ary manazava ny endrika ny fampiasana ny voatabia isan’andro. Afaka tonga dia hikosehana ny tarehy ny voatabia nosilahana roa ary avela milona kely avy eo kobanina. Azo atao ihany koa ny mipotsitra voatabia novohasana sy nesorina ny vaoniny amin’ny « mixeur » ary izy malemy tsara iny no atao « masque » eo amin’ny tarehy madio tsara. Somary horina mora eo amin’ny tarehy ity akora natoraly ity mandritra ny 5 minitra avy eo kobanina tsara amin’ny rano matimaty.

Lire la suite

Articles Similaires