Andro maneran-tany ho an'ny raboka: marihana isan-taona ny 24 martsa
Ny 24 martsa isan-taona no fiaraha-mientan’izao tontolo izao amin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny raboka na « tuberculose ». Tsy kisendrasendra no nisafidianana io daty io : izy io no andro hahatsiarovana ny nahitana ny « bacille de la tuberculose » nataon’i Dr Robert Koch tamin’ny 1882. Marihana fa mbola areti-mandoza ao amin’ny firenena maro ny raboka ka izay no ilaina hatrany ny fanentanana mikasik’azy io mba hiadiana amin’ny fiparitahany.
Raboka : aretina taloha fa mbola fanamby maoderina
Areti-mifindra vokatry ny bakteria atao hoe « Mycobacterium tuberculosis » ny raboka na « tuberculose ». Ny avokavoka no tena voakasik’izy io fa mety ho voa ihany koa ny taova hafa. Entin’ny rivotra moa ity bakteria ity ary miparitaka rehefa mikohoka, mievona na mandrora ny olona marary tratry ny « tuberculose pulmonaire ».
Na dia misy aza ny fitsaboana mandaitra amin’ny raboka dia mbola mijanona ho isan’ireo areti-mifindra mamono olona maro maneran-tany izy io. Tamin’ny 2022 dia teo ho eo amin’ny 10,6 tapitrisa ny olona voan’ny raboka maneran-tany ary 1,3 tapitrisa no matin’izany, araka ny tatitra nataon’ny « Organisation mondiale de la santé » na « OMS ».
Ireo « défis » amin’ny fiadiana amin’ny raboka
Maro ireo anton-javatra manasarotra ny fiadiana amin’ny aretina raboka. Anisan’izany ny :
-« Tuberculose multirésistante », izany hoe misy amin’ireo bakteria no mahatohotra ireo fanafody fitsaboana ny raboka ka lasa mampaharitra, mahalafo sy tsy dia mandaitra ny fitsaboana ilay aretina ;
-« Co-infection VIH/tuberculose ». Ny VIH dia mamparefo ny hery fiarovana ka mahatonga ireo olona mitondra ny tsimokaretina ho mora tratra sy resin’ny raboka ;
-Tsy fitoviana ara-tsosialy. Ireo vahoaka marefo ara-batana, miaina anaty fahantrana, tsy ampy sakafo… no isan’ireo tena lasibatr’ity aretina ity ;
-Tsy fahampian’ny famatsiana ara-bola amin’ny ady amin’ny raboka. Tsikaritra fa tsy ampy ny famatsiana ara-bola azon’ny firenena maro ho an’ny « diagnostic » sy ny fitsaboana ny raboka.
Ezaka sy fanantenana maneran-tany hiadiana amin’ny raboka
Na dia eo aza ireo « défis » manoloana ny fiadiana amin’ny raboka dia tsikaritra fa efa maro ihany ireo ezaka lehibe efa vita amin’ny fiadiana amin’ny raboka. Nanomboka ny taona 2000 dia efa nafahana nanavotr’aina 79 tapitra ireo ezaka manaren-tany natao. Anisan’ireo mbola ezaka sy fanentanana hiadiana amin’ny raboka sy hamongorana izany napetraky ny « OMS » ny :
-Fanamafisana ireo rafitra ara-pahasalamana mba hanatsarana ny « dépistage », « diagnostic » ary fitsaboana ny raboka ;
-Fanafainganana ireo fikarohana sy ny famokarana ireo fanafody sy vaksiny fanefitry ny raboka ;
-Fiadiana amin’ny tsy fitoviana ara-tsosialy izay isany mampiparitaka ny raboka ;
-Fanokanana teti-bola ampy hanohanana ireo fandaharan’asa hiadiana amin’ny raboka.