Salama dahololehilahy no manoratramba hanotany ny hevitrareo ato @ forum izaho, ahoana kay ny fikajiana ny pension alimentaire?toy izao ilay tantara raha hafohizina.tamin'ny 10taona lasa, Nanao sipa izaho ary niteraka vavy tamin'io sipako io, marihako fa izahay dia tsy nisoratra ara-panjakana fa fifankalalana teo @ RAD andaniny sy ankilany ihany no natao. Noho ny disadisa teo @nay anefa dia nisaraka izahay.Nihezaka nandray anjara isambolana ihany izaho (na dia mbola tsy nanana asa raikitra aza) sy ny RADko nanampina an 'ilay zaza. tao anatin'izany dia nisy ny disadisa sy tsy fifankahazoana. Nisy fotoana anefa lasa niala alavitra tany @ faritany izy mianaka izaho koa nahita asa ka tsy afaka nifanerasera izahay hany ka tsy nisy intsony koa ny fifanampiana fa samy noetin'ny hambom-pony. Ankehitriny efa manambady aman-janaka ara-dalana izaho izy tsy fantatro raha manambady na tsia . Mitaky pension alimentaire amiko izy ankehitriny ary tonga dia nampiakariny tribunal mihitsy, kanefa ilay vola takiany dia tsy zakako satria miampy kely fotsiny dia karamako iray volana, izaho aloha dia tsoriko fa tsy malaina mihitsy ny hanome fanampina . Izay no angatahako valiny @tsika hoe ahoana ny fomba fikajiana ny pension alimentaire ary izahay tsy vita mariage? Misaotra mialoha