• Cours de change
  • 5091.06 AR
  • |
  • $4425.69 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Omby : Mariky ny harena amin'ny foko Atandroy

14/06/2025 07:12 © Moov

Any Ambovombe Androy, faritra atsimon'i Madagasikara, no itoeran'ny foko Atandroy. Biby manan-danja tokoa ny omby any an-toerana.

Raha aty Antananarivo sy ny manodidina, ny tranobe, fiara, firavaka sy haingo isan-karazany no imatimatesan'ny rehetra. Ireo fananana ireo no hamaritana ny fahefa-mividy sy ny toeran'ny tsirairay eo amin'ny fiarahamonina. Ho an'ny any Ambovombe Androy kosa, ny omby no voalohan-karena. Arakaraka ny mahabetsaka ny omby ananana no ilazana fa mpanakarena ny olona na fianakaviana iray. Na izany aza, zava-dehibe ihany koa ny fananana tany, indrindra amin'ny fananganam-pasana.

Fanambadiana

Tsy mahazo vady mihitsy ny lehilahy Atandroy raha tsy manolotra omby ho an'ny ray aman-drenin'ilay vehivavy angatahina. Omby matavy sady tsara volo no atolotra amin'izany, mba ho hitan'ny rafozana hoe "mahavita raha" ilay mpangata-bady. Azo ampiarahana amin'ny volabe ny omby mba handresena lahatra ny fianakavian'ny vavy. Noho ny fandrosoana nefa, manaiky vola ihany ny sasany amin'ireo tompon-janaka vavy, izay mitovitovy sandam-bidy amin'ny omby.

Fahafatesana

Fotoana iray isehoan'ny maha-izy azy ny fianakaviana iray ny fahoriana. Rehefa maty ny iray dia hidiana anaty vatam-paty, apetraka ao anaty trano mihidy, mandra-pahavitan'ny kibory (fasana). Samy manana fasana tsirairay mantsy ny olona rehetra, fa tsy mitambatambatra akory : tsy misy izany ny hoe "fasam-pianakaviana". Tehirizina ilay vatana mangatsiaka, na herinandro na iray volana na roa taona. Mbola afaka manangom-bola tsara mantsy ny zanaka na ny akaiky ilay maty, hanaovana ny fanamboaram-pasana sy hiantohana ny "havoria". Tsy inona ity farany fa famoriana ny fianakaviana rehetra mialoha ny fanafenana ny razana ao amin'ilay kibory vaovao. Lanonambe no karakaraina ka anapoahana basy sy amonoana omby maro.

Fahasahiranana

Harena ny omby. Noho izany indrindra, henatra ny mivarotra omby, raha tsy hoe asan'ilay raim-pianakaviana izany. Raha sendra tojo fahasahiranana, osy no amidy fa tsy omby mihitsy. Azo amidy ihany koa ny firavaka na fitaovana an-tokantrano.
Tanjon'ny rehetra izany, indrindra ny lehilahy efa mikarama, ny hanana omby maro. Agonina mihitsy io karazam-biby io satria izay manana azy betsaka no lasa to-teny eo anivon'ny fiarahamonina.
Tsara ny manamarika fa marobe ireo Antandroy no manao asa tanana, mikirakira ny akora avy amin'ny omby. Anisan'ny vokatra gasigasy manintona ireo mpivahiny ohatra ny kapa vita amin'ny hoditr'omby.

Lire la suite

Articles Similaires