• Cours de change
  • 5119.94 AR
  • |
  • $4469.35 AR
Copyright Image : © Les Louves
Image
Reny&Zaza

Fahafatesana tampoka ny zaza : ireo fisorohana tsara fantatra

04/12/2025 15:44 © Moov.Mg

Ny fahafatesana tampoka ny zaza na « mort subite du nourrisson » no isan’ireo antony mahafaty ny zaza latsaky ny erin-taona. Matetika dia fihetsika tsy nahy amin’ny fitaizana ny zazakely sy tsy ampoizina hitera-doza no mahatonga azy io. Andeha ary ho resahana eto ny santionany amin’ireo fitandremana atao mba hisorohana ny fahafatesana tampoka ny zaza.

Atao matory mitsilany hatrany ny zazakely

Isan’ireo fihetsika manampy amin’ny fisorohana ny fahafatesana tampoka ny zazakely ny fampatoriana azy mitsilany. Rehefa matory mitsilany ny zaza dia tsy misy manakona na manempotra ny orony sy ny vavany, tsy mitovy amin’ny matory mihohoka. Tsy tsara ampatoriana miorirana ihany koa ny zaza latsaky ny erin-taona satria mety afaka mihodina lasa matory mihohoka izy.

Tsy atao be zavatra eo amin’ny fandriana atorin’ny zaza

Fadiana ny manisy zavatra be loatra eo amin’ny fandriana atorin’ny zaza. Esorina avokoa ireo zavatra mety hanakona tampoka ny orony sy ny vavany mandritra ny torimasony. Afaka matory tsy misy lamba firakotra, ondana, « peluches »… ny zazakely. Ny akanjony no atao ampy hanafana azy.

Trotrona atao mitsangana tsara ny zaza rehefa avy nisotro solon-dronono

Dingana iray lehibe hoan’ny zazakely ny fandrezatana. Raha matory tsy nandrezatra izy dia mety hisindrovaka tampoka ao anatin’ny torimasony. Ho an’ny zaza misotro solon-dronono dia trotroina mitsangana tsara mandritra ny fahefa-kadiny aorian’ny « biberon » izy. Tsy ilaina ny mikapokapoka ny lamosiny na ny manotsakotsana azy sady mandeha mba hampandrezatra azy malaky kokoa. Avela izy handrezatra ho azy.

Tandremana ny « tabagisme passif »

Ny « tabagisme passif » dia mampitombo ny « risque » hahafatesan’ny zaza tampoka. Na dia tsy mifoka eo akaikin’ny zaza aza ny ray aman-dreny dia mbola mijanona ao amin’ny fofom-bava, ny akanjo, ny fanaka… ireo singa mankarary anatin’ny setro-tsigara. Raha avy mifoka sigara no mandray ny zaza dia tafiditra anatin’ny oron’ny zaza ny fofon’ny setro-tsigara eny aminy.

Lire la suite

Articles Similaires