• Cours de change
  • 5215.85 AR
  • |
  • $4517.59 AR
Copyright Image : © Concilio
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana ara-pananahana : fantaro ny mikasika ny « bartholinite »

15/12/2025 14:56 © Moov.Mg

Ny « bartholinite » dia aretina fahita eo anivon’ny taovam-pananahan’ny vehivavy ary matetika tena manaintaina. Manodidina ny 2% ny vehivavy no voan’izy io, indrindra ireo eo anelanelan’ny 20 sy 40 taona. Ny « bartholinite » moa dia « inflammation » sy « infection » an’ireay amin’ireo « glandes de Bartholin » roa. Tsy dia tokony hisy atahorana izy io raha voaray an-tanana mialoha. ‘Ndeha ho resahana eto ary ireo tsara fantatra mikasika ny « bartholinite ».

Inona no atao hoe « bartholinite » ?

Ny « glandes de Bartholin » dia « glandes » kely eo amin’ny fisokafan’ny fivaviana. Izy ireo no miandraikitra ny fanamandinana ny fivaviana, indrindra mandritra ny firaisana ara-nofo. Raha ny tokony ho izy dia tsy hita maso ary tsy mety voatsapa ireo « glandes » ireo.
Mitranga ny « bartholinite » rehefa tsentsina ny « canal excréteur » an’iray amin’ireo « glandes » ireo ka lasa mampiandrona « mucus » ao anatiny : izay no atao hoe « kyste de la glande de Bartholin ». Io « kyste » io dia tsy marary amin’ny voalohany fa avy mety mety voan’ny « infection » avy amin’ny bakteria ka lasa mivadika nana manaintaina be. Ny « infection » an’io « kyste » io no atao hoe « bartholinite ».

Ahoana ny fomba fisehon’ny « bartholinite » ?

Amin’ny ankapobeny dia miseho malaky ny soritr’aretin’ny « bartholinite » ary ilay « glandes » voa ihany no ahitana izany. Anisan’ireo fambara fahita ny hoe :
-Misy fivontosana (boule), mety ho kely na lehibebe, eo amin’ny fisokafan’ny fivaviana ;
-Manaintaina mafy rehefa mamindra, mipetraka na manao firaisana ;
-Misy fanaviana na tsia ;
-Misy fambara « inflammation » eo anivon’ilay « glande », toy ny hoe mivaramena na mafana ilay faritra ;
-Misy nana mivoaka raha toa ka vaky ho azy ilay « abcès ». Somary mampihena kely ilay fanaintainana moa izany.

Ireo antony mety mahatonga azy

Amin’ny ankapobeny dia avy amin’ny fiparitahan’ny « germes » eo anivon’ilay « glande » tsentsina no mahatonga ny « bartholinite ». Anisan’ireo antony mety mahatonga izany ny :
-Bakteria avy amin’ny « flore intestinale », toy ny « Escherichia coli » ;
-Ireo « pathogènes » avy amin’ireo aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo, toy ny « chlamydia » na ny « gonocoque ».
Ankoatra izay dia misy ireo anton-javatra mety mahatonga ny fahatsentsenan’ilay « canal » na mahatonga ilay « infection », toy ny hoe :
-Efa ny « kyste de la glande de Bartholin » taloha ;
-Tsy misasa tsara na diso misasa be loatra ;
-Manao firaisana ara-nofo matetika be loarta na tsy mampiasa fiarovana ;
-Manao akanjo tery loatra na mampamandomando maharitra ny ao amin’ny faritry ny fivaviana ;
-Diabeta ;
-« Episotomie » tsy sitrana tsara.

Ahoana ny fitsaboana ny « bartholinite » ?

Miankina amin’ny « stade » an’ilay « infection » ny fitsaboana ny « bartholinite ». Raha vao manomboka ka mbola tsy misy « abcès » dia mampiditra « antibiotique large spectre » sy fanafody manala fanaintainana ny mpitsabo. Miampy « bain de siège » amin’ny rano matimaty moa ny fitsaboana. Raha toa ka efa misy « abcès » kosa dia tsy maintsy didiana miampy « antibiotiques » mitsabo manokana izany ny fitsaboana ny « bartholinite ».

Lire la suite

Articles Similaires