Fanadiovana ny rivotra ao an-trano amin’ny fomba natoraly
Indraindray ny rivotra iainantsika ao an-trano dia mety ho maloto nohon’ny rivotra any ivelany. Ny hamandoana, ny vovoka miangona, ny « produits » fanadiovana… maro ireo loto sy fofona mety tsy mahasalama ao an-trano. Ireto manaraka ireto ary ireo fomba natoraly hanadiovana ny rivotra ao an-trano.
Maninona ny mila diovina ny rivotra ao an-trano ?
Mety miteraka olana ara-pahasalamana, na ho an’ny ankizy na ny lehibe, ny fiainana rivotra maloto ao an-trano. Anisan’izany ny :
-« Allergies » sy « irritations » izay miseho amin’ny maso mangirifiry, mitsoni-delo, tenda mangidihidy na marary, mandrotsirotsy na bontsibontsina eo amin’ny hoditra ;
-Olan’ny taovam-pisefoana toy ny sohika, bronchite, sempotsempotra na sahirana miaina ;
-Aretin’andoha sy rera-dava ;
-Faharatsian’ny torimaso.
Rehefa ela ny ela dia mety misy fiantraikany eo amin’ny hery fiarovan’ny vatana sy eo amin’ny fitomboana ny fiainana rivotra maloto ao an-trano.
Ireo torohevitra natoraly hanadiovana ny rivotra ao an-trano
Mba hanadiovana ny rivotra hiainana ao an-trano dia misy ireo torohevitra natoraly tsara ampiharina :
-Avela hidiran’ny rivotra madio ny trano isan’andro. Sokafana midanadana tsara ny varavarankely mba hifamezivezy ny rivotra avy ao anatiny sy ny avy any ivelany ;
-Mampiasa huiles essentielles. Misy amin’ireo huiles essentielles sasany, toy ny eucalyptus, citron ary lavande, dia manana fiasa manadio sy « antibactériennes ». Avela hiparitaka ao amin’ny efitrano rehetra amin’ny alalan’ny « diffuseur » izy ireo. Mila arahana tsara kosa nefa ny fomba fampiasana azy fa tsy ataotao fahatany, indrindra raha misy ankizy na bevohoka ao an-trano ;
-Atao madio tsara hatrany ny trano mba tsy hisy vovoka miangona. Ny lamba firakotra sy ireo lamba fampiasa ao an-tokantrano sasana sy solosoloina matetika mba hisorohana ny « acariens » ;
-Tsy avela hisy faritra mandomando sy bobongolo ao an-trano satria isan’ireo mandoto ny rivotra hiainana ihany koa izany ;
-Mamboly zavamaniry mitroka ny rivotra maloto sy mamoaka rivotra madio ao an-trano. Maro tokoa izy ireny eny amin’ny mpivarotra voninkazo eny. Anisan’izany ohatra ny chrysanthème, palmier nain, cactus, vahona…