• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Zmt
Image
Asa & Fianarana

Asa tena : Ireo "ketrika" ahazoana loharanom-bola maharitra

27/09/2023 14:42 © Moov.Mg

Tsy mora ny mitady asa. Tsy vitsy ireo tanora nahavita fianarana ambony no tsy mety mahita ny asa sahaza, na mba miasa ihany fa mandray karama varimasaka. Tsy ireo tafiditra amina orinasa ihany no atao hoe "miasa". Azo atao tsara ny miasa tena.

Dingana voalohany : Mihevitra ny talenta ananana

Ny tsiambaratelon'ny fahombiazana ? Ny fankafizana ny asa atao. Raha hiasa tena izany, mila fantatra izay zavatra tena manavanana sy izay nianarana ihany koa. Rehefa tena eritreretina lalina ireo zavatra tena manavanana sy mahafinaritra amin'ny andavan'andro, tsy ho sarotra intsony ny mamorona tetikasa ahazoam-bola.

Tia mahandro sakafo : Manokatra snack / restaurant / pâtisserie

Raha efa tia mahandro sakafo hatramin'ny fahazazana ohatra, azo atao tsara ny mieritreritra ny sehatra "cuisine sy pâtisserie". Na dia efa maro aza ny manana gargotte na restaurant kelikely, mbola azo atao tsara ny mifaninana amin'ny tsiron-tsakafo sy ny karazana nahandro atolotra. Raha mahay fanamboarana mofomamy sy viennoiseries isan-karazany, ny manokatra pâtisserie na salon de thé no tena mety.

Misy ireo toeram-piofanana maro eto an-drenivohitra hahafahana manao "cours modulaire" raha te hanamafy tsara ny fahaizana ireo zavatra rehetra amidy avy eo.


Copyright Image : © -

Mahay asa tanana : Mamorona vokatra isan-karazany

Poketra, satroka, kavina, ... Tsy vitsy ireo asa tanana azo amboarina tsara, sady ilain'ny olona amin'ny fiainana andavanandro. Samy manana ny akora manavanana azy moa ny tsirairay : rofia, lamba, voanio, hodi-boay, sns. Manintona ireo mpividy ny endrika vaovao tsy dia fahita, indrindra moa ny kalitao miavaka. Maro ihany koa ireo mpitady haingon-trano vita amin'ny akora natoraly.
Azo lazaina ho asa tanana ihany koa ny fanamboarana sakafo azo tehirizina, labozia, savony, saribao ekolojika, sns. Misy tokoa ireo fiofanana azo arahina, ho an'ireo izay liana amin'izany.


Copyright Image : © Madagascar Online

Mahay mivarotra : Manokatra tsena

Ny manokatra "épicérie" no tena be mpanao. Ilaina ny maka karazan'entana tena ilain'ny fianakaviana rehetra amin'ny andavanandro : vary, voamaina, menaka, siramamy, savony, sns. Tsy adino ireo kojakoja ilain'ny reny sy ny zaza toy ny serviettes hygiéniques, ny couches ary ny lingettes. Arakaraka ny vola ampiasaina sy ny haben'ny toerana ivarotana no isafidianana ny entana amidy. Tsara ihany koa raha manana vokatra ikarakarana vatana : menabolo, crème hydratante, gel douche, déodorant, sns. Ny tanjona moa dia ny hanana "supermarché" kely, mba hanintonana sy hitazomana ireo mpanjifa. Raha efa manana toerana anaty tsena, aza misalasala manandrana mivarotra karazana legioma, voankazo na trondro lena. Mandeha ihany koa ny "friperies" na ho an'olon-dehibe na ho an-jaza. Raha tsy mahatakatra "bal" iray na matahotra ny tsy hahaverim-bola, azo andramana ny maka lohan'entana eny amin'ireo efa za-draharaha.
Raha te hanana "boutique" kosa, maro tokoa ireo entana azo amidy, alaina eny amin'ireo mpambongady eny Behoririka : akanjo, kiraro, kapa, poketra, firavaka, satroka, fitaovan-jazakely, sns. Mety ihany koa na "friperies" aza ireo entana amidy. Mety hahazoana vola ihany koa ny fangalana entana any amin'ny mpamokatra mihitsy, toy ny legioma, vary voamaina, saribao. Tsy mahafaty antoka ihany koa ny manangana "quincallerie", amarotana fitaovana sy vokatra anaovana "bricolage" sy ho an'ny fiara na kodiarandroa.


Copyright Image : © -

Mahay teny vahiny : Manao "asa en ligne"

Tsy irony "clic clic" irony akory no antsoina hoe "asa en ligne". Mila fahaizana sy fahafehezana zavatra maro ny asa izay azo atao na aiza na aiza no misy ny tena. Vahiny mantsy ireo mpampiasa ka ilaina tokoa ny efa mahafantatra ny asa miandry. Matetika hahitana tolotr'asa ohatra ny fanoratana na "rédaction", ny fananganana na fikojakojana tranokala na "création/ maintenance de site web", ny "assistance virtuelle", sns. Ny tena ilaina amin'izany dia ny fahaizana ny teny frantsay sy ny fananana solosaina miaraka amin'ny internet.
Misy ny tanjona tsy maintsy tratrarina isan'andro, isam-bolana na isan-kerinandro. Raha manao ny asan'ny "commercial en ligne" ohatra, mila manenjika isana vokatra lafo. Raha mpanoratra na "rédacteur" indray, tsy maintsy mahasoratra teny miisa 1 000 raha kely indrindra isan'andro. Eny am-boalohany, mifanaraka tsara ny roa tonta hamaritana ny karama sy ny asa atao rehetra.


Copyright Image : © Patrice Decoeur

Mahay mandresy lahatra : Manangana agence immobilière

Tsy mahamenatra ny manera tany na trano. Marobe tokoa mantsy ireo
olona mitady tany na trano ho vidiana na hofaina. Tsy vitsy ihany koa ireo te hivarotra ny fananany. Mba hanombohana ny asa, mety tsara ny miara-miasa amin'ireo olona manana trano ka mitady mpanofa. Ilaina amin'izany ny manana fafana (tableau) kely, mba ametrahana ireo tolotra ananana amin'ny toerana iray, dia toerana be mpandalo ohatra. Ny ankamaroan'ireo mpanera dia sady manao "annonce" amin'ny tambazotra Facebook. Amin'ny ankapobeny, ahazoana vola na ny "visite" (fitsidihana ny toerana) na ny "commission" (valisoa omen'ny mpitady trano/tany, arakaraka ny hofany na ny vidiny). Rehefa ela ny ela, azo atao tsara ny miroso amin'ny fananganana agence immobilière. Ahatokisan'ny olona kokoa ny rafitra matotra kokoa, noho izy azo antoka sady mikarakara hatramin'ny taratasy rehetra.


Copyright Image : © Le Progrès

Manana fitaovam-pitanterana : Manao taxi

Raha efa mananakodiarandroa dia azo andramana ny fanaovana taxi-moto. Tsy mbola misy fepetra sarotra moa ny firosoana amin'izany eto Antananarivo Renivohitra. Misy kosa nefa ny fikambanana efa mijoro, hahafahana manaraka ireo fitsipika mahasoa. Mila "casque" miisa roa ianao : aroloha ho anao mpitondra sy ho an'ny mpandeha. Mba hahazoana tombony, tsara raha tena mahafantatra ny "consommation"-n'ny moto entina. Izany mantsy no entina mikajikajy izay solika ho laniana isaky ny misy mpandeha. Raha manana fiara moa dia mividy licence anaovana taxi-ville, na mampanao "location", izany hoe mampanofa fiara mitondra mpandeha mitsangatsangana.
Raha toa indray ka manana "permis" azo itondrana fiara sady efa mahay mamily tsara, aza misalasala mitady asa "chauffeur" amina orinasa kely, izay azo isafidianana ora iasana. Misy ihany koa ireo "agences de voyage" mitady mpamily miasa isaky ny faran'ny herinandro sy ny fety ihany.


Copyright Image : © arton22895

Tia mihira : Manafana lanonana

Sady asa no fialam-boly ny manafana lanonana. Raha manan-talenta amin'ny fihirana dia azo atao tsara ny manantona ireo mpanao "animation" amin'ny fety isan-karazany. Matetika moa dia rehefa faran'ny herinandro no misy asa. Tsy adino kosa nefa fa tsy maintsy manokana fotoana anaovana famerenana. Azo atao vadin'asa tsara noho izany ny fanafanana lanonana. Mila miomana amin'ny "tenues" sy ny kiraro anaovana, arakaraka ny fifanarahana ao anain'ny vondrona izay idirana.


Copyright Image : © LeBienPublic

Dingana faharoa : Mitady renivola

Rehefa tapa-kevitra ny amin'ny votoanton'ilay asa tena dia mila mihevitra ny fanatanterahana amin'izay. Misy ireo tanora manam-bintana ka tohanan'ireo ray aman-dreny amin'ny fihariana voalohany. Tsy vitsy kosa nefa ireo tsy manana mihitsy. Inona ary no atao hahatratrarana ny tanjona ?
Mba hahafahana misaintsaina izay tokony hahitana vola, amporisihana ny tsirairay hanao kajy tsotsotra. Ohatra, raha hanokatra "gargotte" kely dia mila vitrine, plateaux, vilia, bol, sotro, vera, sns. Tsy adino ny trano hofaina sy ny fanaka ary ireo fitaovana an-dakozia ilaina amin'ny fikarakarana ireo sakafo amidy. Ilaina ohatra ny vata fampangatsiahana, ny fatana sy ny vilany. Izay tena ilaina aloha no ampidirina anaty kajy satria rehefa mandeha ny asa dia tsy ho sarotra intsony ny hanampy ireo fitaovana ampiasaina. Mila manomana vola ihany koa amin'ny fividianana ireo akora ilaina amin'ny fikarakarana ireo entana amidy. Raha hanokatra "boutique" indray dia mila ireo "présentoirs" isan-karazany : vitrine, étagères, vy hanantonana akanjo, sns. Amin'ny ankapobeny, rehefa varotra no resaka, ny vola angalana entana sy anomanana ny toeram-pivarotana no tena tadiavina mialoha.
Ho an'ireo mbola vao hihary, tsy azo antenaina ny fampindramam-bola any amin'ny banky. Mila antoka mantsy izy ireny. Noho izany dia tsy maintsy manao izay hahitana ny renivola, amin'ny fanaovana asa madinika ohatra. Tsy mahamenatra ny manao "serveur/ serveuse", manao "gardien", manao "revendeur" na manasa fiaran'olona, mandritra ny volana vitsivitsy. Mety haharitra ny fanaovana ireo asa tselika raha mila manangona vola misimisy. Azo atao tsara ny miasa anaty orinasa satria sady manangom-bola no maka traikefa. Mila atao an-tsaina fa tena mila fikirizana ny fananganana ny orinasakelin'ny tena manokana.
Azo atao kosa nefa ny mindram-bola raha toa ka mbola miasa anaty orinasa ny mpindrana. Toy izany ihany koa raha misy trano, tany na entana azo atao antoka. Raha misy fianakaviana na namana afaka mampindrana renivola moa voa maika tsara. Tsara kosa nefa raha manana "business plan" mazava mikasika ny fandaniana sy ny vola mety ho azo mba hahafahana mamerina ny volan'olona.


Copyright Image : © Freepik

Dingana fahatelo : Manatanteraka ny tetikasa

Rehefa voaangona ny vola ilaina, eny fa na dia misy tsy ampy kely aza, azo atomboka ny tetikasa. Manomboka ny famolavolana hevitra maty paika mba hampahafantarana ny vokatra amin'ireo mpanjifa.
Tsy voatery hahomby avy hatrany ny asa satria tsy maintsy manavao na ny mpiasa tena na ny mpanjifa. Mila faharetana ihany koa ny zava-drehetra. Raha mivarotra asa tanana ohatra, tsy voatery hahalafo isan'andro satria haingo eny amin'ny vatana na haingon-trano ny vokatra. Azo atao tsara kosa nefa ny mitady mpandray entana, na somary mihena kely aza ny vidiny.
Amin'izao fandrosoan'ny teknolojia izao, manampy betsaka amin'ny fitadiavana "clients" ny tambazotra Facebook. Maro ireo vondrona hahafahana mivarotra. Tsy izay ihany, azo atao ny manatanteraka "publication sponsorisée", izany hoe mandoha vola amin'ny Facebook mba hahazoana mpividy haingana sy betsaka.


Copyright Image : © The big red Group

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo