« Terreur nocturne » : ireo tsara fantatra mikasik’izany
Taitra tampoka ve amin’ny alina sady midobodoboka be ny fo nefa tsy fantatra hoe naninona ? Mety ho « terreur nocturne » izany. Ny ankizy manao azy io dia mitomany be na mikikiaka be tampoka sarotra ampitoniana amin’ny alina. Fa inona tokoa moa ny « terreur nocturne » ? Azo sokajiana ho nofy ratsy ihany ve izy io ? Araho eto ireo tsara fantatra mikasik’izany.
Inona no atao hoe « terreur nocturne » ?
Ny « terreur nocturne » dia tahotra mafy mitranga ao anatin’ny torimaso amin’ny alina. Tsy mitovy amin’ny nofy ratsy izy io satria ny nofy ratsy matetika dia tadidy rehefa mifoha. Ny « terreur nocturne » kosa dia ilay vao manomboka matory iny no mitranga, mandritra ny torimaso lalina, ary tsy tadidy izy io rehefa maraina.
Mandritra io « terreur nocturne » dia mety mikikiaka, mitabataba sy mikoropaka tampoka ilay olona matory. Mety ihany koa izy ho tafapetraka tampoka sy mihiritra nefa tsy tonga saina amin’ny manodidina azy. Ankoatra izay dia mety hidaroka, handaka, matahotra be, tsemboka be, midobodoboka mafy ny fony. Eo amin’ny ankizy moa dia sarotra ampitoniana izy rehefa avy manao io « terreur nocturne » io.
Isan’ny mampitaintaina amin’ny olona manao « terreur nocturne » ilay izy tsy tonga saina amin’ny zavatra ataony sy izy tsy mahatadidy n’inon’inona amin’izany rehefa mifoha amin’ny maraina. Amin’ny ankapobeny dia ny ankizy kely eo amin’ny 3 hatramin’ny 12 taona no tena manao azy io. Mety hisy olon-dehibe ihany koa nefa voakasik’izany. Afaka ho azy ihany izy io rehefa miha lehibe ilay ankizy.
Inona no antony mahatonga ny « terreur nocturne » ?
Maro ireo anton-javatra mety mahatonga ny olona iray hanao « terreur nocturne ». Anisan’izany ny :
-Harerahana sy ny tsy fahampiana torimaso ;
-Rarintsaina sy tebiteby ;
-Fanaviana na marary ;
-Fanafody sasany ;
-Fiovaovan’ny ora fatoriana.
Inona no atao manoloana ny olona manao « terreur nocturne » ?
Mety mampatahotra sy manaitra ny mahita olona, na ankizy na lehibe, manao « terreur nocturne ». Mila tadidiana hatrany nefa fa tsy tena mifoha izy io mandritra io fotoana io. Noho izany, raha manao « terreur nocturne » ny olona iray dia :
-Tsy fohazina satria mety vao maika izy hikorontana na ho verivery saina ;
-Arovana izy tsy haratra, na dia manohitra na mitsangana aza. Esorina izay zavatra mety handratra azy manodidina ;
-Resahana moramora izy satria mety manampy azy hitony izany ;
-Tsy resahana azy izany rehefa mifoha izy satria mety tsy misy tadidiny ka vao maika hampiasa saina azy.
Torohevitra hisorohana izany
Anisan’ireo fomba manampy hisorohana ny « terreur nocturne » ny :
-Fametrahana ora fatoriana tsy miovaova ;
-Fakana aina tsara amin’ny alalan’ny fahampiana torimaso. Eo amin’ny ankizy dia manampy betsaka ny fatoriana atoandro ;
-Fihezahana mamehy ny rarintsaina.
Amin’ny ankapobeny dia afaka ho azy ny « terreur nocturne ». Mila manantona mpitsabo kosa nefa raha toa ka matetika loatra izy io na manakorontana be ny fiainana andavanandro, raha tsy mety afaka izany na efa lehibe aza ilay olona, raha miaraka amin’ny fihetsika mety mandratra na mampidi-doza.