Zazakely sarotra fahanana na mandà sakafo : inona no atao ?
Zavatra isan’ny mampiferotr’aina ny ray aman-dreny tokoa ny zaza sarotra fahanana na tsy mety misakafo. Izany hoe tsy tiany na lasa laviny ireo sakafo tiany taloha. Inona no antony mety mahatonga izany ? Mila terena mihinana ve izy ? Ahoana ny tokony atao manoloana ny zaza sarotra fahanana na mandà sakafo ?
Inona no mahatonga ny zaza tsy tia sakafo sasany ?
Anisan’ireo sakafo tsy dia tian’ny zaza ny voankazo sy ny legioma. Toy izany ihany koa ny fromazy sy ny trondro. Ny fofony sy ny « texture » an’izy ireny moa matetika no tena tsy hitiavan’izy ireo azy. Mety ho antony mahatonga izany ihany koa ny fomba nampidirana ny sakafo teo amin’ny zaza sy ny fifohazana ara-tsain’ity farany. Noho izany dia mety handà tsy hinana zavatra tsy fantany ny zaza. Na isika olon-dehibe ihany koa ary indraindray sahirana manandrana sakafo tsy fantatsika.
Mila terana hihinana ve ilay zaza ?
Tsy misy dikany ny fanerana ny zaza hihinana zavatra tsy tiany, indrindra ireo eo amin’ny faha 2 taonany. Misy antony matoa izy mandà tsy mety mihinana karazana sakafo sasany. Raha amin’io taonany io tokoa mantsy dia mbola tsy azo lazaina hoe midongy izy. Ankoatra izay dia mety vao maika mampitombo ny « pression » sy ny fandavana eo aminy ny fanerena azy hihinana io sakafo io. Izany dia mety hitarika « troubles du comportement alimentaires » eo aminy.
Ahoana ary ny atao hitiavan’ny zaza ireo sakafo tsy tiany ?
Maro ireo fomba manampy azo atao. Anisan’izany ohatra ny fanovana ny fomba fandrahoana ilay sakafo tsy tiany. Azo andramana ampiasaina amin’ny karazana nahandro samihafa izy ireny. Mety manampy ihany koa amin’ny fanatsarana ny endriky ny sakafo aroso azy. Izany hoe atao miendrika kisarisary ny eo ambony lovia, atao maro loko… Raha mbola tsy mety dia azo atao ihany koa ny manafangaro ireo sakafo tsy tiany amin’ny zavatra tiany.