• Cours de change
  • 5118.59 AR
  • |
  • $4432.44 AR
Copyright Image : © Babybio
Image
Reny&Zaza

Zaza natory atoandro lasa sarotra ampatoriana amin’ny alina : inona no atao ?

24/07/2025 11:30 © Moov.Mg

Tranga mety miseho ny hoe natory atoandro, indrindra hariva, ny zaza ka lasa sarotra mahita tory ny alina. Rehefa somary lehibebe tokoa mantsy ny zaza dia mihena na miova ny faharetan’ny torimaso ilainy anatin’ny andro iray. Inona ary no atao manoloana ny zaza natory atoandro lasa sarotra ampatoriana amin’ny alina ?

Ny antony mila atorian’ny zaza atoana na manao « sieste »

Manana ny « rythme » ny torimaso manokana ny zaza fa tsy mitovy amin’ny lehibe. Ho an’ireo amam-bolana vitsy dia manao « sieste » izy rehefa maraina sy hariva ary matory amin’ny alina. Ho an’ireo efa lehibebe kosa dia ny « sieste » avy misakafo atoandro no tazominy.
Tena ilain’ny zaza amin’ny fitomboany sy amin’ny fitoniana ny fatoriana atoandro. Manampy azy amin’ny fanonerana ny harerahana ara-batana sy ara-tsaina, fampivelarana ny sainy, fandrindrana ny fihetseham-po ary fanamafisana ny hery fiarovana ny fanaovana « sieste ».

Ahoana ary ny atao raha sarotra mahita tory ny zaza natory atoandro ?

Ny zavatra fadiana voalohany dia ny fanafoanana ny torimaso atoandro satria hoe lasa sarotra mahita tory ny zaza. Raha toa mora matory izy amin’ny atoandro dia midika izany fa tena mbola ilainy ny fanaovana « sieste ». Mety vao maika izy lasa kirikiriana sy tsy matory tsara amin’ny alina raha toa ka tsy avela matory atoandro.
Raha matory atoandro ela loatra, toy ny hoe adiny 2 na 3 ora ny zaza dia mety mety ela kokoa izy vao te hatory amin’ny alina. Ny azo atao dia ny famerana ny fotoana hatoriany atoandro. Mila atao an-tsaina ihany koa etsy andaniny fa tsy voatery avy amin’ilay fatoriana atoandro ny tsy mampahita tory ny zaza amin’ny alina.
Matetika dia avy amin’ny lafin-javatra hafa mihintsy no mahatonga izany, toy ny olana ara-pahasalamana, tsy fanajana ny ora fampatoriana ny zaza, korontana ao an-tokantrano… Mila tandremana hatrany arak’izany ireo lafin-javatra mety manohitohina ny fitoniana ara-tsaina sy ara-batan’ny zaza ka mety misy fiantraikany amin’ny fahitany tory.

Lire la suite

Articles Similaires