• Cours de change
  • 5118.59 AR
  • |
  • $4432.44 AR
Copyright Image : © Cosmopolitan
Image
Reny&Zaza

Bevohoka : ireo fomba hanamarinana ny fitondrana vohoka

16/07/2025 16:33 © Moov.Mg

Mbola misy amintsika no tsy mahafantatra ny fomba hanamarinana fa mitoe-jaza sa tsia ny vehivavy iray. Misy karazany maro ireo fomba azo atao, ka ny « test de grossesse » moa no tena be mpahalala. Andeha ary ho fantarina eto ireo fomba samihafa azo hanamarinana ny fitondrana vohoka.

Fanamarinana ny fitondrana vohoka : ny « test de grossesse urinaire »

Izy ity no fomba fanamarinana ny fitondrana vohoka isan’ny mora atao sy be mpampiasa indrindra. Azo jifaina eny amin’ny farmasia eny moa izy ity. Araka izany anarany izany moa dia amin’ny alalan’ny fitiliana ny pipy an’ilay vehivavy no hahitana na mitoe-jaza izy na tsia. Azo antoka eo amin’ny 99% izy ity rehefa voahaja tsara ny fampiasana azy.
Marihana fa misy karazany roa moa ny « test de grossesse urinaire ». Ny voalohany dia ilay atao hoe « test de grossesse précoce ». Izany hoe 1 andro aorian’ny fahataran’ny fadim-bolana dia efa afaka mahita izy raha bevohoka ilay olona. Somary lafolafo izy ity.
Ny karazany faharoa dia ny « test de grossesse classique ». Mora vidy kokoa izy ity ary 7 andro aorian’ny fahataran’ny fadim-bolana vao atao satria izay vao mety mahita ny tahan’ny « HCG » hanamarinana ny vohoka ao anatin’ny pipy.

Ny « test de grossesse sanguin »

Arak’izany fiantsoana azy izany dia fomba fanamarinana ny fitondrana vohoka amin’ny alalan’ny fitiliana ny rà izy ity. Noho izany dia any amin’ny « laboratoire d’analyse médicale » no azo hanaovana azy. Izy ity ny « test » azo antoka indrindra. Afaka manamarina ny fitondrana vohoka 10 andro hatramin’ny 14 andro aorian’ny fotoana maha lonaka. Izany hoe mahita mialohan’ny fotoana tokony hiverenan’ny fadim-bolana.

Ny « échographie »

Ny « échographie » kosa dia 6 herinandro aorian’ny nahatongavan’ny fadim-bolana farany no afaka mahita raha mitoe-jaza na tsia ny vehivavy. Noho izany dia mety tsy ho hitany raha toa ka mialoha io fotoana io no anatanterahana ny « échographie ». Izany hoe mety efa « positif » ny « test de grossesse » nefa kosa mety mbola tsy hitan’ny « échographie » hoe mitoe-jaza ilay olona.

Lire la suite

Articles Similaires