• Cours de change
  • 5118.59 AR
  • |
  • $4432.44 AR
Copyright Image : © Magic-Maman
Image
Reny&Zaza

Bevohoka : ireo lohahevitra tsy tokony karohina eto amin’ny aterineto

28/07/2025 15:19 © Moov.Mg

Maro amintsika no manao fikarohana samihafa eto amin’ny aterineto, indrindra mikasika ny fahasalamana. Ho an’ny bevohoka moa dia tiana ho hita sy ho fantatra avokoa ny zavatra manodidina ny fitondrana vohoka. Marina fa maro ny fahalalana sy fanazavana samihafa hita eto, nefa kosa tsy voatery ho marina avokoa ireo « informations » rehetra. Andeha ary ho fantarina eto ny santionany amin’ireo lohahevitra na toe-javatra tsy tokony karohina sy hiateherana ny aterineto rehefa bevohoka.

Misy rà mandeha mandritra ny fitondrana vohoka

Isan’ny toe-javatra mety mitranga ny hoe mandeha rà mandritra ny fitondrana vohoka ary mety mampitaintaina ny bevohoka izany. Tsy tsara ny manao fikarohana na mitady fanazavana mikasika io tranga io eto amin’ny aterineto. Eo amin’ireny « forum » na amin’ny tambazotra sosialy ireny matetika dia mety hisy hanamaivana io toe-javatra io ary mety hisy ihany koa ny hilaza fa « grave » be izany. Mba hisorohana ny tandrevaka na fitaintainana amin’ny tsy antony dia aleo manantona mpitsabo avy hatrany. Izany dia mba hazoana ny fizahana sy ny fanazavana sahaza.

Tsy heno na tsy tsapa mihetsika intsony ny zaza ao am-bohoka

Manodidina ny 16 sy 20 herinandron’ny vohoka matetika no heno sy tsapa mihetsika ny zaza ao an-kibo. Mety ho aloha kely na aoriana kelin’io fe-potoana io izany no mitranga. Tsapa toy ny mandaka na mikofokofoka kely izy. Raha sendra tsy heno mihetsika ny zaza indray andro dia mety hitaintaina ny bevohoka sao misy zavatra tsy ara-dalàna mahatonga izany. Raha ato amin’ny aterineto no hikaroka valin-teny na fanazavana dia mety hahita toro vohana na hitaintaina mafy. Ny azo antoka indrindra dia ny mandeha manantona rasazy na mpitsabo.

Fahasamponan’ny zaza ao an-kibo

Isan’ireo zavatra tsy tsara hanaovana fikarohana eto amin’ny aterineto rehefa bevohoka ny mikasika ny fahasamponan’ny zaza ao an-kibo. Maro tokoa ireo fanazavana sy « informations » hita eto ka raha manomboka ny mamisavisa ny zavatra mety mahazo ny zaza ao am-bohoka dia lasa hitaintaina sy hitebiteby mafy. Raha sendra misy tranga manaranaka dia aleo ny mpitsabo mivantina no hifampiresahana sy hitadiavana valinteny. Mila atao ao an-tsaina ihany koa fa samihafa avokoa ny fitondrana vohoka tsirairay ka tsy voatery mitovy ny fizotr’izany eo amin’ny samy bevohoka.

Lire la suite

Articles Similaires