• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Eveil Et Conseil
Image
Reny&Zaza

Firy volana ny zazakely no tokony ampianarina mipetraka ?

08/02/2024 11:31 © Moov.Mg

Maro ireo reny tia mampitaha ny zanany amin’ny zaza hafa ka mieritreritra hoe lasa aloha loatra na taraiky ny zanany vao mipetraka. Marihana nefa fa miankina amin’ny zavatra maro ny fotoana ahafahan’ny zaza mianatra mipetraka ary tsy azo terena izany. ‘Ndeha ary ho resahana eto ny mikasika ny fampianarana ny zazakely hipetraka irery.

Atomboka mianatra mipetraka ny zazakely rehefa mihamahintsy ny taolan-damosiny

Miankina betsaka amin’ny fahamaotian’ny taolan-damosin’ny zaza ny fahafahany mianatra mipetraka. Manomboka feno 3 volana hatramin’ny 10 volana eo izy no mihamahitsy tsikelikely ny taolan-damosiny.
Rehefa feno 6 volana ny zaza dia efa afaka apetraka tsikelikely, nefa kosa tsy maintsy mbola tohanana ondana na bodifotsy satria mbola malemy ny taolan-damosiny ka tsy mahatazona azy. Tsy ajanona ela ihany koa fa atao vetivety ihany, ohatra hoe 10 minitra dia averina mitsilany izy.
Eo anelanelan’ny faha 6 volana sy faha 9 volana dia efa mihamafy sy mihamahintsy ny lamosiny ka efa mahazaka ny tratrany tsy hitolefika rehefa mipetraka. Tsy terena hipetraka irery izy fa endrasana izy ihany no manao izany.
Rehefa feno 10 volana izy dia efa maoty tsara ny taolan-damosina ka efa tsy misy atahorana intsony mihintsy ny lamosiny rehefa mipetra-drery.

Tsy azo terena hipetraka ny zaza latsaky ny 10 volana

Tsy tokony ary tsy azo terena hipetraka mahintsy mihintsy ny zazakely alohan’ny faha 10 volany. Na tsikaritra fa miezaka miarina irery aza ny zaza mialoha io fotoana io dia tsy azo terena hipetraka satria mbola tsy maoty ny taolan-damosiny.
Ampatsiahivina hatrany fa samy manana ny fitomboany sy ny fivoarany ny zaza tsirairay. Tsy ilaina izany ny manotra ny taolan-damosiny mba hampahintsy azy haingana kokoa. Mahintsy ho azy izany rehefa mihalehibe ny zaza.
Mila fitandremana tsara ny fampianarana ny zaza hipetraka irery. Raha terena hipetraka izy dia mety miteraka tsy fahatomomban’ny taolan-damosiny izany. Mahatonga fihenjanan'ny hozatra sy tsy fahazoana fitoboana (équilibre) ny mampipetraka an-tery ny zaza mbola tsy mahay mipetraka.

Ireo fanazarana hanampiana ny zaza ahay hipetraka irery

Misy ny fanazarana azo ampanaovina ny zaza mba hahamora ny fahaizany mipetraka irery. Atao mitsilany amin’ny kibony ny zaza ary asiana kilalao manodidina azy. Avela izy hiezaka hiarin-doha sy hihodikodina na hivadika hanakatra ny kilalaony. Ny anjaran'ny olon-dehibe dia miambina azy sao mianjera, mahavoatelina zavatra, sempotra, midona amin'ny zavatra ny lohany, hilatsahana zavatra… Io mitsilany amin'ny kibo io no manatanjaka ny hatoka sy ny lamosin'ny zaza ka hanampy azy hahay hizaka loha.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo