• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Sante Bebe
Image
Reny&Zaza

« Torticolis » mahazo ny zazakely : ‘ndeha ho resahana

14/02/2024 13:33 © Moov.Mg

Zazakely vao teraka mitailana loha, zazakely tsy mety mitodika havia na havanana… izany no atao hoe « torticolis » mahazo ny zazakely. Afaka ho azy izy io matetika fa indraindray koa nefa mety mila fandraisan-tanana manokana hitsaboana azy. Fa ahoana tokoa ny ahafantarana ny « torticolis » mahazo ny zazakely ? Inona ny mahatonga izany ary inona ny vahaolana azo atao ?

Ahoana ny fisehon’ny « torticolis » mahazo ny zazakely ?

Ny « torticolis », izay adikantsika amin’ny teny hoe « miolam-pandriana » dia manambara fikatsoana mahazo ny hatoka. Raha ny marina kokoa ny fivokonan’ny hozatra amin’ny hatoka. Mety ho tratr’izany avokoa ny ankizy, tanora, olon-dehibe, eny na ny zazakely aza. Matetika ny « torticolis » mahazo ny zazakely dia miseho vao izy teraka na andro vitsy aorian’ny nahaterahany.
Lazaina fa voan’ny « torticolis » ny zazakely iray raha toa ka :
-mitailana foana any amin'ny havia na havanana (tsy miova mihitsy) ny lohany raha izy vao teraka iny na vao feno herinandro vitsivitsy ;
-hita somary avo kokoa ny sorony iray raha oharina amin’ny ilany ;
-toy ny tsy mahazo aina ary mikentrona izy vao hatodika any amin'ny ilany tsy manavanana azy ny lohany.
-tsy mety minono afatsy amin’ny nono ilan’ny reniny ihany satria tsy mahazo aina rehefa minono amin’ilay nono iray.

Inona no antony mahatonga ny « torticolis » mahazo ny zazakely ?

Maro ireo antony mety mahatonga ny « torticolis » mahazo ny zazakely. Matetika dia noho ny fipetrany tamin’ny « position » tsy ara-dalàna tao anaty tranon-jaza no nahatonga izany. Mety mitarika izany « torticolis » izany ihany koa ny fiterahana ny zaza « par siège », izany hoe ny fitombenany no nivoaka aloha fa tsy ny lohany. Etsy andaniny ihany koa ny zaza saro-piterahana izany nilaina fampiasana fitaovana toy ny « forceps » nisintomana azy.
Amin’ny ankapobeny izany dia ireto avy ny antony mety mahatonga ny « torticolis » mahazo ny zaza :
-Tery loatra izy tao anaty tranon-jaza ;
-Tsy ny lohan’ny zaza no nivoaka voalohany teo am-piterahana ;
-Sarotra nateraka ilay zaza ka nila nisintomina tamin’ny fitaovana manokana.

Inona ny vahaolana manoloana ny zaza misy « torticolis » ?

Araka ny voalaza teo ambony dia mandalo ihany matetika ny « torticolis » mahazo ny zazakely ka sitrana ho azy izany. Tsy misy atahorana izy io matetika. Misy kosa nefa ireo fihetsika azo atao hanesorana haingana kokoa izany « torticolis » mahazo ny zaza izany :
-Ezahana atodika miandalana amin'ny ilany tsy manavanana azy ny zaza rehefa mitrotro azy ;
-Apetraka amin'ny ilany izay tsy manavanana azy daholo ny rehetra izay mahavariana azy : kilalao, jiro, ny reniny na ny olona mitaiza azy...
-Atao mitsilany amin'ny kibony ny zaza rehefa tsy minono sy tsy matory ary amporisihina hitodika amin'ny ilany tsy manavanana azy amin'ny alalan'ny kilalaony.
Marihana fa tsy tokony mahatsapa manaintaina ny zazakely misy « torticolis ». Raha tsikaritra fa marary sy mampijaly azy izany dia mila manaraka fitsaboana izy hanesorana izany. Mety mitarika ny atao hoe « plagiocéphalie », izay fiovan’ny endriky ny karandoa (pempo, fisaka…) ihany koa ny « torticolis » eo amin’ny zaza sasany ka mila fandraisan-tanana manokana ny fitsaboana azy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo