• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Epi-Phare
Image
Reny&Zaza

Bevohoka : tsy maintsy atao ve ny vaksiny fanefitry ny tetanosy?

15/02/2024 14:25 © Moov.Mg

Rehefa misafo ny vehivavy bevohoka dia misy ny vaksiny asain’ny rasazy na ny mpitsabo manaraka azy ataony, ka anisan’izany ny vaksiny tetanosy. Inona no antony anaovan’ny bevohoka vaksiny tetanosy ?

Inona no atao hoe tetanosy ?

Ny tetanosy dia areti-mandoza azo avy amin'ny otrikaretina (bactérie) iray atao hoe « Clostridium tetani ». Ao anatin’ny biby moa no miaina sy miombo io otrikaretina io ary lasa miparitaka eny amin’ny tany eny. Izany hoe mety hipetraka amin’ny vovoka, loto, vy arafesina… Miditra amin’ny vatan’ny olombelona amin’ny alalan’ny ratra ny otrikaretina mitondra ny tetanosy, eny na dia ratra madinika ary.
Rehefa tafiditra anatin’ny vatan’olombelona ilay « bactérie » dia miparitaka manerana ny hozatra rehetra ka miteraka fikainkonan’ny hoditra manaintaina mafy. Raha mahatratra ny hozatra amin’ny taovam-pisefoana ny otrikaretina dia mety mahafaty.
Ny fanaovana vaksiny no fanefitra voalohany amin’ny aretina tetanosy. Afaka manao ity vaksiny avokoa na ny zaza, na ny tanora na ny olon-dehibe. Marihana moa fa mihalefy ny herin’ny vaksiny rehefa mandeha ny fotoana ka mila manao famerenana (rappel).

Inona no mahatonga ny bevohoka tsy maintsy atao vaksiny fanefitry ny tetanosy ?

Rehefa hiteraka ny vehivavy dia mety hotatahana, hampiasana fitaovana hisintomana ny zaza na koa mety hididy raha misy ny tsy azo anoharana. Arak’izany dia mety hisy ratra eo amin’ny vatany. Ankoatra izay dia fitaovana vita amin’ny vy ny ankamaroan’ny ampiasaina aminy. Marina fa efa nodiovina ara-dalàna avokoa ny fitaovana ampiasaina ary efa mitandrina tsara ny mpampiteraka. Mbola misy foana nefa ny « risques » mety hidiran’ny otrikaretina mitondra ny tetanosy amin’ilay mpiteraka ka mba hisorohana ny aretina no tsy maintsy anaovana ny vaksiny fanefitry ny tetanosy.
Ankoatra izay moa dia miaro ny zazakely vao ho teraka amin'ny tetanosy ihany koa io vaksiny io. Marihana fa atahorana ny ho voan’ity aretina ity ihany koa ny zaza rehefa eo am-panapahana ny tadim-poitrany iny. Raha sanatria ka maloto na misy arafesenina ny nanapahana ilay tadim-poitra, na misy bandy maloto, na zavatra hosokosorana ny tadim-poitra dia hatahorana hahavoan'ny tetanosy ny zaza vao teraka izany.

Ireo vaksiny fanefitry ny tetanosy mila ataon’ny bevohoka

Misy karazany 5 ny vaksiny fanefitry ny tetanosy ho an'ny olon-dehibe (VAT) izay mila ataon’ny vehivavy bevohoka :
-VAT 1 : Atao dieny vao misafo voalohany ilay vehivavy. Tsy maharitra akory ny fiarovan'io vaksiny 1 io fa mila ilay fanampiny.
-VAT 2 : Atao afaka 4 herinandro (1 volana) aorian'ny VAT 1. Matetika izy io dia atao amin'ny fisafoana faharoa. Miaro mandritra ny 1 hatramin'ny 3 taona izy io.
-VAT 3 : Atao 6 volana (tapa-taona) aorian'ny VAT 2. Maharitra 5 taona ny fiarovany.
-VAT 4 : Atao 1 taona aorian'ny VAT 3. Maharitra 10 taona ny fiarovany
-VAT 5 : Atao 1 taona aorian'ny VAT 4. Miaro mandramaty izy io.
Mazava ho azy fa mila vitaina hatramin’ny farany ireo vaksiny fanefitry ny tetanosy mila ataon’ny bevohoka ireo. Raha sanatria ka misy tsy vita izy ireo dia mila averina hatramin’ny voalohany indray rehefa bevohoka ny zaza manaraka. Rehefa vita daholo ireo vaksiny dimy ireo vao voaharo mandramaty amin’ny tetanosy ilay vehivavy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo