• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Nhs
Image
Reny&Zaza

Zaza vao teraka : fantaro ny mikasika ny « ictère du nouveau-né »

21/02/2024 14:06 © Moov.Mg

Aretina iray mety hitranga eo amin’ny zaza vao teraka ny « ictère du nouveau-né » na ilay atao hoe « jaunisse ». Miseho amin’ny alalan’ny fiovan’ny lokon’ny hoditry ny zaza ho lasa mavo moa izany. Fa inona tokoa no mahatonga ny « ictère du nouveau-né » ? Ahoana ny fisehony ary inona no tokony ataon’ny ray aman-dreny manoloana izany ?

Inona no atao hoe « ictère du nouveau-né » na « jaunisse » ?

Ny « ictère du nouveau-né » na « jaunisse » dia aretina iray miseho amin’ny alalan’ny fiovan’ny lokon’ny hoditra sy ny mason’ny zaza vao teraka ho lasa mavo. Mateti-pitranga moa izany aretina izany eo amin’ny zaza menavava ary matetika dia sitrana ho azy. Tsy azo atao tsirambina kosa nefa izy io satria misy ihany koa ireo trangan’aretina mitaky fitsaboana vao sitrana.

Inona ny antony mahatonga ny « ictère du nouveau-né » ?

Ny fiakaran’ny tahan’ny « bilirubine » ao anaty rà no mahatonga ny « jaunisse ». Ny « bilirubine » dia singa iray miloko mavo izay miforona rehefa maty ny sela mena (globules rouges » anaty rà. Miasa be ny aty mba hivoahan’io singa io anaty ny pipy sy ny maloton’ny zaza vao teraka. Satria nefa ny atin’ity farany mbola tsy matoy tsara dia lasa miangona be ilay « bilirubine » ka izay no manova ny lokon’ny hodiny sy ny masony hanopy mavo.
Arak’izany dia tsy fahamaotian’ny atin’ny zaza menavava izany no isan’ny antony voalohany mety mahatonga ny « ictère du nouveau-né ». Misy ihany koa nefa ireo antony hafa mety mahatonga izany, toy ny « infection », fanafody tsy zaka, aretin’ny rà, tsy fahampian’ny rononon-dreny hoanin’ny zaza…

Ahoana ny fomba fisehon’ny « jaunisse » mahazo ny zaza vao teraka ?

Raha manao « ictère du nouveau-né » na « jaunisse » ny zaza vao teraka dia toy izao ireo mety ho fisehon’izany :
-Lasa miloko mavo ny vatan’ilay. Manomboka amin’ny tarehiny, ny tratrany avy eo ny vatany manontolo hatramin’ny masony izany. Matetika dia eo amin’ny 24 ora hatramin’ny 48 ora aorinan'ny fahaterahana izany io no miseho ;
-Tsy mety minono izy ;
-Mety handoa rehefa be loatra ilay « bilirubine » anaty rà.

Inona no atao raha manao « ictère » ny zaza vao teraka ?

Araka ny voalaza teo ambony dia tsy azo atao tsirambina ny « ictère » mahazo ny zaza vao teraka satria misy ny trangan’aretina ilaina fitsaboana. Izany indrindra no antony tsy ampanaovana akanjo miloko mavo ny zaza vao teraka mba ahafahana mahita malaky ny mety fiovan’ny lokon’ny hodiny raha sendra voan’ny « jaunisse » izy.
Mazava ho azy fa ny mpitsabo irery ihany no afaka mamaritra raha misy atahorana na tsia ilay trangan’aretina « ictère » mahazo ilay zaza. Mila omena nonon-dreny tsara ara-dalana ny zaza vao teraka mba hanafainganana ny fahamaotian’ny atiny sy hampisinda malaky kokoa ilay aretina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo