• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Dna
Image
Reny&Zaza

‘Ndeha resahana eto ny mikasika ny « kinésithérapie respiratoire »

28/02/2024 14:37 © Moov.Mg

Ny « kinésithérapie » dia fomba fitsaboana mifototra amin’ny teknika isan-karazany toy ny fanorana, hetsika gymnastika mampiasa na tsy mampiasa fitaovana, « physiothérapie »… Misy karazany maro izy io ka anisan’izany ny « kinésithérapie respiratoire » izay ho resahana manokana eto.

Inona no atao hoe « kinésithérapie respiratoire » ?

Ny « kinésithérapie respiratoire » dia karazana iray amin’ny « kinésithérapie » mifantoka manokana amin’ny fanatsarana ny fiasan’ny taovam-pisefoan’ny zazakely sy ny ankizy madinika. Amin’ny ankapobeny dia ny zazakely sy ny ankizy tratry ny aretina manentsina ny tratra sy ny taovam-pisefoana, toy ireo voan’ny « bronchiolite » no ampanaovina azy ity.
Mikendry indrindra ny hanampiana ny zazakely hampivelatra ny « reflexes » miaina sy mikohoka ny « kinésithérapie respiratoire » noho ireto farany miantoka lehibe amin’ny fitazonana ny fahasalaman’ny taovam-pisefoany. Tanjony ihany koa ny hanampiana ilay zaza hanala ny rehoka tafajanona ao amin’ny taovam-pisefoany noho izy mbola tsy mahay mandrehoka. Izany dia mba hisorohana ny mety hitomboan’ny otrikaretina ao anatiny.

Iza no afaka manatanteraka « kinésithérapie » ?

Mpitsabo manokana antsoina hoe « kinésithérapeute » irery ihany no afaka manatanteraka « kinésithérapie ». Nandalo fiofanana manokana amin’ny sehatry ny fanarenana ara-batana (rééducation) ary mahafeno ireo fepetra takiana afahana manao ireo teknika ilaina amin’ny fanatanterahana ny fitsaboana.
Ho an’ny « kinésithérapie respiratoire » dia ny « kinésithérapeute pédiatrique » no manam-pahaizana manokana amin’ny fitsaboana ny zazakely sy ny zaza madinika. Mahafehy tanteraka ireo « mouvements » ahafahana mamoaka ny rehoka amin’ireto farany izy ireny.

Ny mety ho fiantraikan’ny tsy fanaovana « kinésithérapie respiratoire »

Raha mila atao « kinésithérapie respiratoire » ny zazakely nefa minia tsy mampanao izany ny ray aman-dreny dia tsy ahavita hamoaka ilay rehoka anaty tratrany izy. Raha izany no mitranga dia mety hanempotra azy ilay rehoka ka mety hanova ny fomba fiainany.
Raha tsy mahazo fitsaboana araka ny tokony ho izy ilay zaza dia mety hiangona ao amin’ny lalan-drivony ny rehoka ka hiteraka aretin’ny havokavoka, toy ny « pneumonie », izany. Ankoatra izay moa dia mety hihamalemy ny taovam-pisefoany ka mety hahatonga fihenan’ny « oxygène » ao amin’ny rà izany ary mety hisy fiantraikany amin’ny fitomboan’ny zaza.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo