• Cours de change
  • 4737.31 AR
  • |
  • $4420.49 AR
Copyright Image : © Magicmaman.Com
Image
Reny&Zaza

Fantaro ny mikasika ny tera-bao lasa very tadidy na « momnésie »

28/03/2024 15:51 © Moov.Mg

Tranga matetika mpahazo ny vehivavy tera-bao ny fahaverezana tadidy na « momnésie ». Tsy voaresaka matetika izany toe-javatra izany ka mbola maro no tsy mahafantatra ny fisiany. Azavaina eto ary ny mahatonga ny reny tera-bao ho lasa very tadidy, ny fisehony ary ny tokony atao manoloana izany.

Inona no atao hoe « momnésie » na ny fahaverezana tadidy eo amin’ny bevohoka tera-bao ?

Maro tokoa ny vehivavy tera-bao very tadidy na tratra ny atao hoe « momnésie ». Raha ny marina kokoa dia fiovan’ny atidohan’ny vehivavy manomboka eo amin’ny fitondrany vohoka hatrany amin’ny 12 volana aorian’ny fiterahana izy io.
Ny fiovan’ny tsirim-panentana ao amin’ny vatan’ilay vehivavy mandritra ny fitondrana vohoka sy aorian’ny fiterahana no misy fiantraikany amin’ny atidoha. Ankoatra izay dia ao ihany koa ny tsy fahampiana torimaso sy ny tsy fahampiana otrikaina vokatry ny famokarana ronono mandritra ny fampinonoan-dreny.

Ahoana ny fisehon’ny « momnésie »?

Lazaina fa tratry ny « momnésie » ny vehivavy iray tera-bao raha toa ka lasa :
-Very tadidy sy be fanadinoana ilay vehivavy tera-bao ;
-Tsy dia mifantoka rehefa resahana ;
-Miboredika matetika rehefa miresaka ;
-Somary mihena ny fahakingan’ny saina.

Inona ary no atao manoloana izany ?

Tsy aretina ny « momnésie » fa tsy fahatomombanana mandalo ihany. Arak’izany dia miverina ho azy ny fitadidiana sy ny fifantoan’ilay reny tera-bao afaka 6 hatramin’ny 12 volana aorian’ny fiterahana. Ilaina ihany nefa ny fitaizana ny atidoha mba ampiverina haingana ny fitadidiana sy ny fifantohana. Mba hanatanterahana izany ary dia mila :
-Miezaka matory sy manao ampy torimaso ny vehivavy tera-bao. Izany hoe manararaotra matory vao matory ny zazakely ;
-Raiketina an-tsoratra ireo zavatra tokony atao mba tsy ho adino ;
-Mandehandeha mivoaka kely maka rivotra fa tsy mihiboka ao an-trano foana ;
-Mahery mihinana sakafo be « magnésium », « zinc » sy « omega » noho izy ireo manatsara ny fitadidiana ;
-Manao lalao mampiasa saina rehefa lebebe ny zaza mba hikolokoloana ny atidoha.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo