• Cours de change
  • 4737.31 AR
  • |
  • $4420.49 AR
Copyright Image : © Bébé Ours
Image
Reny&Zaza

Bevohoka : ilaina tokoa ve ny mandeha tongotra ?

07/04/2024 10:40 © Moov.Mg

Mampiferotr’aina ny vehivavy maro mandritra ny fitondrana vohoka ny fandehanana tongotra. Rehefa bevohoka tokoa mantsy matetika dia matsiaro tena kamokamo, vizambizana, maloiloy tsy mahazo aina… Mba entina andrisihana ireo bevohoka mailaina andeha tongotra ary dia resahana eto ireo tsara fantatra mikasika izany.

Ireo tombontsoan’ny fandehanana tongotra rehefa bevohoka

Rehefa miditra ny faha efa-bolan’ny fitondrana vohoka dia mila manomboka mandeha tongotra ny bevohoka. Maro ireo tombontsoa azo avy amin’izany :
-Manamora ny fandevonan-kanina sy ny fiasan’ny tsinay. Izany dia misoroka indrindra ny fitohanana izay toe-javatra mpahazo ny bevohoka ;
-Manatsara ny fikorian’ny rà ka manampy amin’ny fisorohana ny varisy sy ny « jambes lourdes » ;
-Manamaivana ny tebiteby sy ny rarin-tsaina ;
-Manatsara ny fiasan’ny fo sy ny taovam-pisefoana ary manomana sahady amin’ny « souffle » izay ilaina be rehefa miteraka ;
-Manamaivana ny aretin-damosina ;
-Manafaingana ny fisokafan’ny vozon’ny tranon-jaza rehefa miandry andro.

Ireo tsara tandremana rehefa mandeha tongotra mandritra ny fitondrana vohoka

Tsy mitovy ny toe-batan’ny olon-tsotra sy ny bevohoka ka tsy mitovy arak’izany ny fahazarana atao rehefa mandeha tongotra. Ireto ary misy fitandremana vitsivitsy tsara fantatry ny bevohoka alohan’ny hanombohana ny fandehanana tongotra :
-Tsy tokony mbola mandeha tongotra ny bevohoka mandritra ny telo volana voalohan’ny fitondrana vohoka satria mety maha afa-jaza raha tsy mahazaka ny vatany ;
-Ny maraina no tsara mandeha tongotra mba ahazo rivotra madio sy tsy tratry ny hain’andro ;
-Tsy tokony mihoatra ny 20 hatramin’ny 30 minitra ny faharetan’ny fandehanana tongotra ;
-Mandeha milamina fa tsy manao dia maika ary ny vodi-tongotra no atao miteaka amin’ny tany voalohany vao ny loha-tongotra ;
-Eo anelanelan’ny 4 sy 6 volana dia atao tsindraindray ny fandehanana tongotra. Rehefa feno 7 volana ny kibo dia atao hisan’andro izany.
Tsy ny vehivavy bevohoka rehetra kosa nefa no afaka manao izany fandehanana tongotra izany. Miankina betsaka amin’ny fizotrin’ny fitondrana vohoka no ahafahana na tsia manao izany. Ny rasazy na ny mpitsabo mpanaraka ny vohoka no manome alalana ny bevohoka handeha tongotra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo