• Cours de change
  • 4746.7 AR
  • |
  • $4418.53 AR
Copyright Image : © Cool Parents Make Happy Kids
Image
Reny&Zaza

Ireo mila fantatra sy mila tandreman’ny vehivavy tera-bao

08/04/2024 11:22 © Moov.Mg

Maro dia maro ireo fanontaniana manitikitika ny sain’ny bevohoka mikasika ireo tokony atao aorian’ny fiterahana. Mba hanampiana ireo vehivavy tera-bao ary dia resahana eto ireo zavatra mila fantatra sy ireo fihevitra diso re eny amin’ny fiarahamonina eny ka mila ahintsy.

Mila mifana ve ny vehivavy tera-bao ?

Ventesina ombieny eny amin’ny fiarahamonina eny ny hoe mila mifana ny vehivavy tera-bao. Amintsika Malagasy moa dia fotoana fakana aina aorian’ny fiterahana no anaovana izany. Izany hoe, misy manampy ilay reny tera-bao amin’ny fikarakarana ny zazakely sy amin’ny fanaovana ny raharaha ao an-trano mba tsy hamizaka azy. Ilaina tokoa izany satria very aina be ny vehivavy mandritra ny fiterahana. Ankoatra izay nefa dia misy ireo mihevitra fa miaro amin’ny sovoka ny mifana ka mila mibonobonoka sy tsy mahazo misasa ny tera-bao mandritra izany. Fihevitra diso ihany nefa izany satria ny loto no mahatonga ny sovoka. Mila mandro ny vehivavy avy niteraka ary tsy manao mafana be loatra.

Fa inona tokoa ny atao hoe sovoka ?

Ny sovoka dia aretina iray mahazo ny tranon-jaza (infection utérine) aorian’ny fiterahana. Araka ny voalaza teo ambony dia tsy vokatry ny rivotra na ny hatsiaka velively ny sovoka fa noho ny loto tafiditra avy eo amin’ny vozon’ny tranon-jaza. Izany dia mitondra mikraoba na bakteria ao amin’ny tranon-jaza. Ny antony faharoa mahatonga ny sovoka dia ny fisian’ny ahitra kely tavela tao anaty tranon-jaza raha tsy voadio tsara ity farany nandritra ny fiterahana. Raha izany no mitranga dia lasa tsy miverina amin’ny habeny taloha intsony ilay tranon-jaza. Mikaikokaikona sy mamoaka rà be ny tranon-jaza noho ity farany miezaka mamoaka ilay loto na koa ilay ambina ahitra, ka izay no atao hoe aretina sovoka. Mety mahafaty izy io raha tsy voatsabo ara-potoana. Tsy maintsy esorina any amin’ny mpitsabo izany loto na ahitra izany fa tsy mety ny manadio kibo amin’ny ravin-javatra na tambavy.

Mila averina hidiana ve ny vozon’ny tranon-jaza rehefa avy teraka ?

Mihidy ho azy ara-boajanahary ny vozon’ny tranon-jaza rehefa avy teraka. Miverina tsikelikely amin'ny habeany teo aloha ihany koa ny tranon-jaza fa tsy mila averina hidiana. Tsy mety noho izany ny mampiasa na mihinana tambavy na ravin-javatra ampiverina azy ireo amin’ny laoniny. Toy izany ihany koa ny fivaviana aorian’ny fiterahana (tsy nodidiana). Miverina amin’ny laoniny miandalana ny habeny rehefa avy namoaka zaza. Tsy mahazo mampiasa ireo ody hisasana na ampidirina amin’ny fivaviana mba ahatery izany satria mety ampidi-doza izany.

Ireo torohevitra fikarakarana ny vatana aorian’ny fiterahana

Mba ampiverina tsara ny hery sy ireo fikorontanana nateraky ny fitondrana vohoka sy ny fiterahana dia ireto ary misy torohevitra fikarakarana ny vatana tsara ataon’ny vehivavy tera-bao :
-Tsy milomano na milona rano mandritra ny 1 volana avy niterahana fa mety hidiran’ny mikraoba na bakteria ny fivaviana ka hiteraka aretina ;
-Tsy miazakazaka, mitsambikimbikina na mitontontona mandritra ny 1 volana taorian’ny fiterahana fa mety manimba ny « périnée » :
-Raha nodidiana dia tsy mampiasa vatana mafy ary tsy manao fanatanjahantena mandritra ny 6 volana taorian’ny fiterahana satria mbola mety hitriatra ny zaitra ao anatin’ny kibo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo