• Cours de change
  • 5044.1 AR
  • |
  • $4464.77 AR
Copyright Image : © Gifrer
Image
Reny&Zaza

Reny mampinono : ireo torohevitra manampy mba tsy ho reraka loatra

10/02/2025 14:15 © Moov.Mg

Anisan’ny toe-javatra mahazo reny mampinono maro ny fahatsapana reraka lava. Mety miteraka fahaketrahana ara-tsaina ho azy ireny moa io havizanana lava-reny vokatry ny fampinonoana io, indrindra raha tsy misy manampy na manohana amin’ny fitaizana. Ahoana ary ny tokony ataon’ny reny mampinono mba tsy ho rera-dava sy hisorohana ny fiantraikan’izany eo amin’ny fahasalaman’ny vatana sy ny saina ?

Inona no antony mahatonga ny reny mampinono ho reraka mafy ?

Zavatra « normal » tokoa ny fahatsapan’ny reny mampinono harerahana lalina. Maro ireo antony mety mahatonga izany :
-Ny tsafahampiana torimaso satria mety minono matetika ny zazakely rehefa amin’ny alina ka tapa-tory manarak’izany ihany koa ny reny mampinono ;
-Mandany efa ho 500 kaloria isan’andro ny vatan’ny reny mampinono amin’ny famokarana nono ;
-Tsy manana fotoana malalaka hakana aina satria mikarakara zazakely mandritra ny tontolo andro.

Ahoana ary ny tokony ataon’ny reny mampinono mba tsy ho reraka loatra ?

Tsy misy azo hialana ireo antony voalaza teo ambony fa mamizaka ny reny mampinono. Azo atao kosa nefa ny miezaka manamboatra fomba fiaina mba tsy hahatsapa rera-dava sy mba hisorohana ny fahaketrahana :

Miezaka matory kely isaky ny afaka manao izany

Marina fa tsy manana fotoana betsaka afaka hatoriana ny reny mampinono satria mila fikarakarana be ny zazakely. Ankoatra izay dia mety misy ireo raharaha mila atao ao an-tokantrano raha tsy manana olona manampy. Tena ilaina nefa ny maka fotoana hatoriana kely na dia 15-30 minitra aza, ohatra rehefa tolak’andro matory iny ny zaza. Izay torimaso kely izay dia efa ampy hamerenana ny hery lany.

Mihinana sakafo ara-pahasalamana

Matetika isika dia mihevitra hoe ny fihinanana sakafo be dia be no ilain’ny reny mampinono mba hamokarana rononon-dreny betsaka sy tsara kalitao. Ny marina nefa dia sakafo ara-pahasalamana, mitahiry otrikaina ilain’ny vatan’ny reny sy ny zaza no tokony hoanina. Tokony mitondra protéines, kalsioma, fer, zinc ary oméga 3 ny sakafo hoanin’ny reny mampinono isan’andro mba hitomboany hery sy mba hampitombo ara-dalàna ny zazakely.

Misotro rano betsaka

Marihana fa ny rano no mandrafitra ny 90% ny rononon-dreny. Raha toa ka tsy misotro rano betsaka ny mpampinono dia mety ho tratry ny « déshydratation » satria ny famokarana ronono no ataon’ny vatany laharam-pahamehana. Lasa voatroka izany ireo tahirin’ny rano sy mineraly ao amin’ny vatan’ilay mpampinono. Izany dia mety miteraka harerahana, crampes, aretin’andoha… Mila misotro rano 2 litatra isan’andro fara fahakeliny arak’izany ny reny mampinono.

Manantona mpitsabo raha tsy zaka ilay arerahana lava reny

Raha mahatsapa fa reraka loatra ny vatana sy ny saina dia mila manantona mpitsabo ny reny mampinono mba hahazo ny torohevitra na fandraisan-tanana sahaza azy. Mety misy ny fanampin-tsakafo na fanafody omen’ny mpitsabo mba hampitomboana ny hery. Mety misy ihany koa ireo torohevitra afaka omeny mikasika ny fomba fiaina mba hanamaivanana ny harerahana ara-batana sy ara-tsaina mahazo ny mpampinono.

Lire la suite

Articles Similaires