Reny mampinono : ireo tsara fantatra mikasika ny nono mandotso
Mandritra ny andro vitsy aorian’ny fiterahana dia manomboka mamokatra rononon-dreny ny vatan’ny reny terabao. Rehefa aty aoriana dia mety hisy rononon-dreny mivoaka ho azy eo aminy na dia tsy minono aza ilay zaza ka izay no atao hoe nono mandotso. Mety hitranga matetika izy io ary hanelingelina. Fa inona no antony mahatonga ny nono handotso ? Ahoana ny atao manoloana izany ?
Ireo antony mahatonga ny nono mandotso
Maro ireo antony mety mampandotso ny nono ka anisan’izany ny :
-Fitsetsafan’ny zaza ny nonon-dreny
Rehefa mampinono ny reny dia mety mahatsapa fa rononon-dreny mitete eo amin’ny nonony nefa eo amin’ny nono ilany ilay zaza no minono. Ny fitsetsafan’ny zaza ny nono dia mandrisika ny famokaran’ny vatana « ocytocine » sy « prolactine ». Ireo hormonina ireo no mampivoaka ny rononon-dreny avy eo amin’ireo nono roa ka izay no mampandotso ny nono ilany rehefa mampinono.
-Fahenoana zaza mitomany
Na dia misafidy ny tsy hampinono nefa dia tena mety mitranga tokoa ny hoe mandotso ny nono rehefa maheno zaza iray mitomany, na tsy ny zanaky ny tena aza. Zavatra ara-boajanahary ihany koa izany. Ny « réflexe d’éjection », izany hoe ny famoahan’ny nono ho azy ny rononon-dreny, no mahatonga izany. Ny fahenoana io feo-jaza mitomany io dia mandrisika ny vatan’ilay reny hiomanana hampinono. Io « réflexe » io dia mampiakatra ny fikorian’ny rà ao anatin’ny nono sy ny famokarana rononon-dreny. Rehefa tsy misy zaza hampinonoana amin’io fotoana io dia lasa mandotso ilay nono.
-Fahafenoan’ny nonon-dreny
Tranga matetika mampandotso ny nono ny hoe feno loatra ilay nonon-dreny. Ny antony voalohany mety mahatonga izany dia ny hoe tsy afaka nampinono mandritra ny ora maro ilay reny ka lasa niangona tao ny rononon-dreny ary farany lasa nivoaka ho azy. Ny antony faharoa kosa dia ny hoe mamokatra rononon-dreny betsaka loatra ny vatana nefa tsy maharaka minono ilay zaza.
Ahoana ny atao hampihena ny nono mandotso ?
Marina fa zavatra ara-boajanahary ny nono mandotso nefa kosa mety hanelingelina sy hanorisory ny miaina izany. Ireto ary misy torohevitra manampy hampihena ny nono mandotso sy mba tsy ho voahelingelina be loatra izany :
-Homena nono matetika ny zaza. Mila mazoto mampinono ny reny mba tsy ho feno loatra ny nono ka handotso. Ilaina amin’ny fitomboana sy ny fahasalaman’ny zaza ihany koa moa izany ;
-Hisintombana ny rononon-dreny mba hampihena ny havesarana be loatra ao amin’ny nono sy hisorohana ny mandotso. Maro fomba ahafahana manao izany, toy ny hoe potserina mora amin’ny tanana hivoaka ny ronono, trohana amin’ny tire-lait….
-Mampiasa « coussinets » na asiana lamba kely ao anatin’ny tati-nono. Miaro ny akanjo tsy ho kotsan’ny nono ny fanaovana izany. Lamba somary matevina ary mety sasana no ampiasaina. Afaka mampiasa « coupelles d’allaitement » ihany koa hitatazana ny rononon-dreny mivoaka. Mbola azo omena ny zaza io ronono io rehefa notehirizina tsara tao anaty vata fampangatsiahana.