• Cours de change
  • 5044.1 AR
  • |
  • $4464.77 AR
Copyright Image : © Kruidvat Be
Image
Reny&Zaza

Mandoko volo rehefa bevohoka : tsy mampaninona ny zaza ve ?

20/02/2025 14:15 © Moov.Mg

Anisan’ny fanontaniana manitikitika ny sain’ny bevohoka maro ny hoe : mety hisy fiantraikany eo amin’ny zaza ao am-bohoka ve ny fandokoana volo mandritra ny fitondrana vohoka ? ‘Ndeha ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasik’izany.

Ireo antony tsy tsara handokoana volo rehefa bevohoka

Tsy tokony mandoko volo ny vehivavy bevohoka, indrindra mandritra ny telo volana voalohan’ny vohoka. Mandritra io fotoana io tokoa mantsy no miforona ny taovan’ny zaza ao am-bohoka. Marihana nefa fa ny lokom-bolo dia mitahiry singa mety mitera-doza eo amin’ny zaza, ka anisan’izany ny ammoniaque sy ny formol. Rehefa mandoko volo ny bevohoka dia mitsofoka ao anatin’ny volo ny loko.
Ny fandokoana ny volo eo amin’ny fotony moa vao maika mikasoka amin’ny hodi-doha sy bulbe capillaire (fivoahan’ny volo avy ao amin’ny hoditra). Rehefa tafatsofoka avy eo amin’ny volo sy ny bulbe capillaire ny lokom-bolo dia mety hisy lasa mankany amin’ny rà ireo singa ao anatiny ka tonga any amin’ny zaza ao an-kibo.

Ahoana ny atao raha te handoko volo ny bevohoka ?

Maro tokoa ny vehivavy efa zatra nandoko volo an-taonany maro ka lasa tsy mahazo aina mihintsy raha tsy mandoko volo, eny na bevohoka aza. Raha tena maniry ny handoko volo dia lokom-bolo vita amin’ny akora natoraly no ampiasaina. Tsy mitahiry ireo singa simika mety hisy fiantraikany eo amin’ny zaza ireo karazana lokom-bolo ireo ka tsy tokony misy atahorana.
Efa misy tokoa mantsy ireo lokom-bolo natoraly (bio) azo antoka kokoa ho an’ny bevohoka. Tsara hatrany nefa raha tsy mbola mampiasa azy ireny mandritra ny telo volana voalohan’ny vohoka. Rehefa mandoko ny volo dia tsy atao mahazo ny foton’ny volo ny loko fa avela misy elanelany kely mba tsy hikasihan’izany ny hodi-doha sy mba tsy hidirany ao amin’ny bulbe capillaire.

Lire la suite

Articles Similaires