• Cours de change
  • 5043.45 AR
  • |
  • $4474.9 AR
Copyright Image : © Santé Magazine
Image
Reny&Zaza

Mila matory miorirana miankavia hono ny bevohoka, inona no antony ?

08/04/2025 14:11 © Moov.Mg

Matetika dia asain’ny rasazy na ny mpitsabo matory miorirana miankavia ny bevohoka, indrindra rehefa manomboka lehibe iny ny kibo. Maro ireo antony mahatonga azy ireo mandrisika ity fomba fatoriana ity mandritra ny fitondrana vohoka. Andeha ary ho resahana eto ireo vokatsoa ho an’ny bevohoka sy ny zaza azo amin’ny fatoriana miorirana miankavia rehefa bevohoka.

Matory miorirana miankavia rehefa bevohoka : ireo vokatsoan’izany eo amin’ny zaza

Ny fatoriana miorirana miankavia rehefa bevohoka dia manatsara ny fikorian’ny rà ao amin’ny vatan’ny bevohoka. Izany hoe mikorina tsara mankany amin’ny ahitra (placenta) ny ran’ny reny ka mizotra tsara ny fahatongavan’ny « oxygène » sy ireo otrikaina ilain’ny zaza ao am-bohoka amin’ny fitomboany.
Ankoatra izay dia manampy betsaka amin’ny fitomboana ara-dalàna ny zaza vao miforona ao am-bohoka ny fahatongavan’ny rà tsara any aminy.

Ireo vokatsoa entin’izany eo amin’ny bevohoka

Maro ireo vokatsoa azon’ny bevohoka amin’ny fatoriana miorirana miankavia. Anisan’izany ny :
Fihenan’ny fivontosana. Marihana tokoa mantsy fa ao amin’ny ilany havia ny vatana no misy ny lalandrà lehibe atao hoe « veine cave inférieure ». Tsy tsara tsindriana matetika izy io rehefa matory satria izy no mitondra ny « oxygène » any amin’ny zazakely. Ankoatra izay dia raha voatsindry izy io dia lasa mampisy fivontosana any amin’ny ranjo, kitrokely sy ny tongotra izay tranga matetika fahita mandritra ny fitondrana vohoka.
-Fihatsaran’ny fandevonan-kanina. Ny fatoriana miorirana miankavia rehefa bevohoka dia manamora ny fandevonan-kanina ary manampy amin’ny fisorohana ny « reflux gastro-œsophagiens ». Ireto farany moa no mahatonga ny bevohoka mavaivay ny vavony, maloiloy…
-Fanamaivanana ny vesatra eo amin’ny taova. Mihena kokoa ny vesatra avy amin’ny tranon-jaza mankany amin’ireo taova, toy ny aty sy ny voa, rehefa matory miorirana miankavia ny bevohoka. Afaka miasa malalaka sy ara-dalàna ireo taova ireo rehefa tsy voatsindry matetika.
-Fihenan’ny fanaintainana ao amin’ny lamosina sy ny valahana. Ity fomba fatory ity dia manampy hitazomana ny fihintsin’ny hazon-damosina ary mampihena ny vesatra ao amin’ny lamosina sy ny valahan’ny bevohoka.
-Fanatsarana ny fipetraky ny zaza rehefa ho teraka. Marina fa tsy azo antoka tanteraka fa manatsara ny fipetraky ny zaza ao am-bohoka rehefa ho teraka ny fatoriana miorirana ankavia, nefa kosa manampy ihany izany amin’ny ankapobeny.

Fanamarihana

Marina fa ny fatoriana miorirana ankavia no amporisihana matetika ny bevohoka, nefa koa tsy midika izay fa tsy mahazo matory miorirana miankavanana raha izay no mampahazo aina azy. Ny zava-dehibe dia ny tsy fatoriana mitsilany maharitra, indrindra rehefa lehibe ny kibo, satria lasa voatsindry mafy ny « veine cave inférieure ».

Lire la suite

Articles Similaires