Vehivavy tsy mety mahazo zaza : ireo antony mety mahatonga izany
Maro tokoa ny mpivady maniry ny hiteraka nefa tsy mety mipetraka ny zaza. Efa nolazaina ombieny fa mety ho avy amin’ny lehilahy nefa koa mety ho avy amin’ny vehivavy ny antony tsy mety mahabevohoka. Ireo antony mety mahatonga ny vehivavy tsy mety mahazo zaza no resahana eto anio. Araho eto ny santionany amin’izany.
Vehivavy tsy mety mahazo zaza nohon’ny fahatsentsenan’ny « trompe »
Ny « trompe » dia ilay fantsona fandehanan’ny atody (ovule) sy hihaonany amin’ny tsirinaina. Raha toa ka tsentsina izy io dia lasa tsy afaka miaona ny atody sy ny tsirinaina ka mazava ho azy fa tsy afaka hiforona ny zaza. Isan’ireo antony lehibe mahatonga ny vehivavy tsy mety mahazo zaza moa izany. Maro ireo antony mety mahatsentsina ny « trompe » ka anisan’izany ny aretin’ny taovam-pananahana, fibrome, endométriose, avy nanao zaza an-tsoso-koditra…
Mety ho manaranaka
Antony iray mety mahatonga ny vehivavy tsy mety mahazo zaza ny fahamombana nolovaina tamin’ny reny na renibe tany aloha. Izany hoe raha nisy momba tany amin’ny fianakaviana tany aloha dia mety ho momba ihany koa ilay vehivavy.
Nijanona amin’ny fampiasana fanabeazana aizana
Ny fanabeazana aizana dia fomba atao handrindrana ny fiterahana amin’ny alalan’ny fanakanana ny vohoka tsy hiforona. Raha nanao fanabeazana aizana mampiasa fanafody nandritra ny fotoana maharitra ilay vehivavy dia mety hitranga ny hoe sarotsarotra izy vao mety mahazo zaza. Mbola vao miverina tsikelikely amin’ny toe-batana teo aloha tokoa mantsy ny vatana vokatry ny fikorontanan’ny hormonina avy amin’ilay fanabezana aizana.
Ny fiterahana ny zaza voalohany tara loatra
Mety mampihena ny fahafahana mahazo zaza eo amin’ny vehivavy ny fiterahana ny zanaka voalohany aorian’ny faha 35 taona. Rehefa mandroso taona tokoa mantsy ny vehivavy dia mihena ny tahan’ny famokaran’ny « ovaire » ny atody (ovule). Rehefa « ménopause » moa dia mitsahatra tanteraka mihintsy io famokaran’ny vatana atody io ka tsy afaka hiteraka intsony mihintsy ilay vehivavy.
Ireo antony hafa
Ankoatra ireo antony voalaza rehetra ireo dia misy ihany koa ireo anton-javatra maro hafa mety mahatonga ny vehivavy sarotra mahazo zaza. Anisan’izany ny fisotroana tambavy, ny fisian’ny kyste na fibrome ao amin’ny tranon-jaza, ny fikorontanan’ny hormonina ka mampahalana ny famokarana atody…